Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Tsakotsako

Tahaka ny minisitra hoe ?

lundi 1er septembre 2008 | RAW

Tahaka ny minisitra hoe ?
Mampitolagaga sy mahafanina ary mampalahelo indraindray ny mpanao politika malagasy ao amin’ny fanoherana. Misy ny te-ho deraina nefa tsy hita akory izay vitany. Tsy ny eto an-toerana ihany fa ny any Frantsa ihany koa.
Namory olona ny « fanoherana » tao Parisy tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny akony dia tena feno hipoka ilay efitrano tao amin’ity « hôtely lehibe » toa fandehanan’ny ministra malagasy rehefa tonga any. Toa tena feno olona mihitsy raha ny fihaino azy. Ny antsasaky ny olona tonga tamin’io fivoriana io dia nitsangana avokoa.

Efa somary tara - toa ora roa taty aorian’ny fotoana nifanomezana, vao tena nanomboka ilay fivoriana. Tsy tena fantatra moa ny resaka tao fa azo inona fa mikasika ny raharaham-pirenena malagasy sy ny fihetsiky ny mpanohitra ary ny fisamborana nisinisy tato ho ato. Hay moa ity lazaina hoe feno hipoka ity ka olona valo no tonga tao. Ny efitrano saika nanaovana ity fivoriana dia efitrano kely ihany ary tsy nisy afa-tsy seza efatra fotsiny ka ny sisa dia nitsangana avokoa.

Tsy naharitra moa ny sasany tamin’ireo tonga tao fa dia nitsotra hoe tsy minisitra izy ireo ka hihafy amin’ity. Ary indrindra indrindra mba zavatra matotra no atao fa tsy sinema na zavatra an-taingina. Mila fahamatorana sy fahaiza-manao ny fanaovana politika. Raha te-hivoatra ny mpanohitra dia mijoro amin’ny fifampitokisana sy fanajana ny ora sy ny hafa aloha. Ny zava-misy aloha dia mifampiahiahy izy ireo satria tsy mibanjina ny vahoaka sy ny firenena fa toa mitetika ho minisitra.
Angamba ny tokony ho jeren’izy ireo akaiky raha any Frantsa any rizareo dia ny fomba hanosehana ny fitondrapanjakana frantsay handoa onitra noho ny fanjanahana nandritra ny 60 taona nahazo antsika. Ny fanjakana italiana dia nanaiky handoa onitra amin’i Lybie noho io fanjanahantany io ; ary miliara maromaro amin’ny vola dôlara mihitsy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS