Ny TIM FRANCE dia manao izao fanambarana manaraka izao.
Ny anaran’ny TIM FRANCE dia voatonona ao anatin’ny fanambarana izay nataon’antokon’olona tsy mitonon’anarana tao Bagneux, ny 4 janoary 2010 araka ny voalazan’ny fanambarana.
Tiana ny manamarika sy manamafy fa sady tsy mahafantatra io fivoriana io no tsy naniraka mpikambana avy aminy ho amin’izany ny fikambanana TIM FRANCE.
Manohana hatrany ny tolona famerenana ny ara-dalàna sy ny Filoha Ravalomanana ny TIM France koa mitsipaka ny fifidianana izay notendren’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina sy ny mpanaraka azy hatao amin’ny volana marsa. Izany fifidianana an-kamehana tiany hatao izany dia fitaovana entiny hanome endrika ara-dalàna ny fanonganam-panjakana nataony ary indrindra indrindra entiny hanova ny fomba fifidianana ka tsy ho ny vahoaka intsony no hisafidy izay ho filoham-pirenena fa ireo parlementera « voafidy » an-kamehana. Manameloka izany fomba manitsakitsaka ny zo sy safidim-bahoaka izany ny TIM FRANCE.
Manameloka ihany koa izay olona nisandoka sy nandoto ny anarany tamin’izany fanambarana izany ny TIM FRANCE.
TIM-FRANCE, anio 6 janoary 2010
Vos commentaires
Nahoana no izao voa manao an’io fanambarana io ny TIM FRANCE, toa tsy mba « spontané » ohatran’ny antoko politika sasany. Miala tsiny aho raha miheritreritra
fa ry zareo ireo ihany no nanao an’io fanambarana io, sady mitovy be amin’ny toe tsain’i ry zareo koa ny voalaza sy fangatahana rehetra tao. Raha ny lainga, ny fitapitaka sy ny fanodikodinana saim-bahoaka aloha dia ain’i ry zareo ireo izany.
C’est quoi TIM France ???
Ah, c’est la nouvelle équipe de cyclistes pour le prochain Tour de France !!!
Parait-il qu’elle va aligner des cyclistes anciennement dopés : Marc, Mamy, Fetison,... MDR !!!!!!!!!!!!!!
Témoin de ce qui se passe à PARIS,j’ai félicité le (ou les) rédacteur de cet appel pas « les » initiateurs.Dès le début,j’ai pensé que c’est du « BIDON » et/ou pour se faire valoir,si ça colle.
Dommage,les démentis pleuvent de tous les côtés.
« MIANDRY IZAY MAHARESY IHANY »,n’est-ce-pas,l’objectif de certains politiciens-politicards malgaches.
Basile RAMAHEFARISOA
Maninona HOEEEE, TIM Franceeeeee, dia tsisy trano kenatra mihintsy ireto pomba anDRA8 ireto, tsy mankatia Frantsay, nefa mbola mangata sy misolelaka ao a France,de hoe TIM FRANCE,maninona tsy atao hoee,SARKOZY TIM FRANCE ndray,tsy hoela ianareo dia ho roasina hody any a Sud-Afrique hanaraka’ny DADA nareo,fa tsy mendrika’nareo hypocrite mihintsy La FRANCE, kely sisa dia hoavy ny hatao ho anareo,....
N’étant ni TIM, ni autre parti, je trouve indécents tous ces collabos HAT/Françafrique (Basile, rakoto...)qui vocifèrent sur ce forum contre TIM FRANCE alors que leur idole TGV est entrain de conduire le pays vers la ruine.Dada de TIM a eu le merite de relever la tête des malgaches, enfin, ceux qui luttent, non ceux qui ont l’habitude de quemander, toujours en train de fouiller dans la boue.