Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Père Sergio

Sorona ho fanorenana

jeudi 17 janvier 2008 |  829 visites 
Nitokana ity « fampihavanana » ity koa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena.

« Izahay Mompera Karma dia mino fa ny rà nalatsak’i Père Sergio, izay Mompera Mpanorina, tonga voalohany teto Madagasikara, ny Fikambanan’ny Mompera Karma, no lasa sorona ao amin’ny fototry ny fanorenana eto Madagasikara. Mitondra fanantenana indray aza iny martiry iny ankehitriny satria tsy maintsy hamokatra be koa ny voa nafafy ». Ireo no mahafehy ny lanonana fitokana niseho tao Moramanga ny sabotsy faha-12 janoary lasa teo.

Nanapa-kevitra ny Mompera Karma fa hanangana trano fivavahana, mitondra ny anaran’ny Père Sergio, any Moramanga. Nampifandraisina ny andro nitokanana ny trano sy ny fahatsiarovana ny namonoana azy. « Ho fanovozana finoana, fanantenana ary fitiavana ho an’izay mandray anjara amin’ny fivavahana, amin’ity trano ity, mba ho lasa fahasoavana noho ny fanilovan’ny fitiavan’Andriamanitra ny fahafatesan’i Père Sergio, tamin’ny fomba mahatsiravina iny », hoy ny Mompera Karma.Mbola manana ny rahalahiny miasa eto Madagasikara i Père Sergio, dia i Père Marcello, curé n’ny Distrika Itaosy. Famantarana izany fa mitohy mandrakariva ny fifandraisan’ny Karma avy any Venise sy ny eto Madagasikara ary sy ny fianakaviana.Misokatra midanadana ho an’izay te-hanandrana an’Andriamanitra ao amin’ny fivavahana ity trano ity. Ato amin’ity trano ity koa no toerana izaran’ny Mompera Karma ny fanomezam-pahasoavana (Charisme) noraisin’izy ireo avy amin’Andriamanitra sy nolovain’izy ireo tamin’ireo olomasina toa an-dry Thérèse d’Avila, St Jean de la Croix, Thérèse de l’Enfant Jésus, Elisabeth de la Trinité sy i P Sergio…..

Ity « Centre spirituel » ity dia handray ny fivoriam-be iraisam-pirenena eo anivon’ny Mompera Karma amin’ny 07-17 Septambra 2008.

Nangonin’i Volana R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}