Ny alahady ho avy izao no fotoana hisedrana ireo sefom-pokontany eto amintsika izay nomena famporisihana goavana tamin’ny fanjakana ny hasahiany mandray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana sy ny raharaham-bahoaka eo amin’ny fokontany misy azy. Sedra goavana, satria ho hita eo ny fahaizany mandritra ny lisim-pifidianana izay nampikolay ny olona hatramin’izay. Ny tsy handraisan’ireo baiko avy amin’ny olona tsy fantatra ka mety hiteraka fakam-panahy hanodina ny safidim-bahoaka, ka hiandany amin’ny kandidà iray izay heverina fa tokony ho tohanana. Hanao ahoana ny mety hisian’ny andrimasom-pokonolona hiarovana ny latsa-bato tsy ho doran’ny sasany ny vata fandatsaham-bato toy ny fahita tany amin’ny faritany ? « Sahia mandray andraikitra », hoy ny filoha sy ny Praiministra, ary manantena isika fa ilay fiofanana natao teny Ivaloha ireny, dia manomboka amin’ny 23 Septembre io no fampiharana azy, koa tandremo ry sefom-pokontany tsy voan’ny fakam-panahy mety handrendrika ny tena, ka hanamaloka ilay fahatokisan’ny vahoaka anareo.
Sedra goavana
lundi 17 septembre 2007 | 156 visites |