Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Ben’ny tanàna etsy Iavoloha

Sady miofana no hiatrika kongresin’ny TIM

mardi 20 mai 2008 | Naivo kely |  330 visites 

Tafapetraka ny paika isan-karazany iatrehan’ny TIM ny kongresiny manomboka rahampitso. Tonga avokoa ny mpizaika rehetra manerana ny faritra 22, ary isan’io ireo ny ben’ny tanàna izay miatrika fiofanana etsy Iavoloha izay hifarana anio.

Tsapan’ny maro fa ity kongresy ity no tena mibahana tamin’ny nampiakarana ireto ben’ny tanàna eto an-drenivohitra ireto. Ny fiofanana amin’ny fahaizana mitantanana, dia fanampiny fotsiny ihany. Matoa ny olona iray milatsaka ao amin’ny kaominina sy ny faritra iray, dia efa manana ny tetika heveriny hampandrosoana ny tanàna hiandreketany izany. Tsy ny fiofanana tampoka ao anatin’ny roa andro no heverina fa hampiova ny kaominina fa fanampiny
fotsiny ireny. Ekena fa zava-dehibe ny fanambaran’ny mpitondra ambony isan-karazany omaly teny Iavoloha amin’ny fanampiana ny kaominina isan-karazany, saingy mijanona ho fanampiana ihany koa ireny raha tsy eo ny finiavana maty paika hananan’ireny ben’ny tanàna ireny.

Hatreto dia henika olom-boafidy eny anivon’ny fototra ny kongresin’ny TIM manomboka rahampitso, satria efa tafapaka eto avokoa ireo ben’ny tanàna. Ny antoko ve sa mbola ny fanjakana no hiantoka ny lany amin’izao fiatrehan’ny ben’ny tanàna ny kongresin’ny TIM izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}