Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 13h17
 

Malagasy

SKET GROOVE, Edition V

lundi 19 mai 2008 |  452 visites 

Tanteraka soa aman-tsara ny « sket groove », izay nankalaza ny faha 5 taonany tamin’ity taona ity izay notanterahina ny sabotsy 10 sy alatsinainy 12 mai lasa teo , « ny Sket Groove » moa dia hetsika goavana iray izay fanaon’ireo JEC « Jeunesse Etudiante Chrétienne » ao amin’ny Lycée Md François Xavier Antanimena, hetsika izay entina nitrandrahana ireo talenta miafin’ireo mpianatra ao aminy, izay efa toa zary mahazatra ireo mpianatra na dia isaky ny 3 taona aza no tanterahina, izay ahitàna : fifaninanana lalao basket izay ravahan’ireo trano eva isan-karazany ; fifaninanan-kira ; fifaninanana olo-mendrika na « Election miss ». Ny Lycée Md François Xavier Antanimena dia isan’ireo sekoly tsy manao ambanin-javatra ny tontolon’ny kolontsaina , sy ny fanabeazana ny tanora ho olom-banona, toy ny fisian’ny « JEC » izay fikambanana Tanora Mpianatra kristianina izay ivondronan’ireo kilasy faha6 ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony manana tanjona mahafinaritra toy ny fanampiana ny tanora mba hiaina be be kokoa ny finoany an’Andriamanitra, ho tonga olona tompon’andraikitra sy hijoro ho olom-banona, ary ho tanora mahay mifanampy mifankahazo sy mifampifehy amin’ny rehetra.

  • Toy izao àry ny valin’ny fifaninanana :

Teo amin’ny fifaninanana lalao basket prô ary dia lasan’ny CFAC « Centre de formation aux activités du commerce » BAC+ St Fra ! ny amboara rehefa niadiavana tamin’ny ekipan’ny Cadet, teo amin’ny fifaninana tirs à 3 points kosa dia nobatain’i Lova ekipa avy ao amin’ny « TSI » ; ny lalao basket moa dia natokana ho an’ireo mpianatra sy ireo rehetra efa nianatra tao amin’ny sekoly ihany.

Teo amin’ny fifaninanan-kira kosa dia nampisehoan’i Domoina ny feo mangany izay nibatany ny amboara voalohany tamin’ny findramany ny hiran’i Bob Marley (redemptien song), narahan’i Elisah teo amin’ny laharana faharoa tamin’ny hiran’i Tosy (ho anao), ary ny laharana fahatelo kosa dia azon’i Anja mirahavavy tamin’i hiran’i Whitney houston (the greatest love of all). Ary ny farany nefa izay tena nankahafizin’ieo mpijery marobe dia ny fifaninana « Miss Sket groove », teny amboalohany moa dia 35 no isan’ireo mpifaninana, 16 kosa no niatrika ny mpitsara tamin’ny famaranana, ary telo tamin’ireo ihany no tsy maintsy ho voahosotra araka ny maha fifaninana azy. Lasan’i Rtoa kely Rakotomanantsoa Antsa Misandratra àry ny titre « Miss sket groove 5 », norombahan’i Rtoa kely RabesonTalbot Stéphanie Yanthà kosa ny anaran’i 1ère dauphine, ary ny 2ème dauphine kosa dia lasan’i Rtoa kely Rajaonary Koloina Vololon’Ny Aina, izy telo mirahavavy ireo moa dia samy mpianatr’i St Fra ! avokoa. Ny « sket groove » édition 5 tsy mitsahatra ny mivoatra araka ny fahitan’ireo mpankafy sy ny mpikarakara, ny fiainan’i JEC kosa dia mitohy, ary manomana fatratra sahady ny « grand camp » izay hatao any « fort Dauphin » ny volana aogositra ho avy izao izy ireo.

Nangonin’i Raw