Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Gazety

Roboka ny mpanambola

samedi 17 mai 2008 | Naivo kely |  540 visites 

Ambara ho tsy malalaka nefa miroborobo. Io no hitarafana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mihoatra ny zato ny karazana gazety antsoratra eto Madagasikara, ary tsy latsa-danja amin’izany ny radio. Ny fahita lavitra no hita fa vitsy raha mitaha amin’ireo.

Gazety fanehoan-kevitra na fambolena na ihany koa fiaraha-monina sy ny politika, ary mipaka hatrany amin’ny gazety hivoizana ny fivavahana. Ireo dia hita avokoa, saingy misy ny mivoaka isan’andro, ary ao ny isa
kerinandro. Ny isam-bolana sy ny isan-taona dia hita eto avokoa. Ny tena fantatry ny maro anefa dia ireo mivoaka isan’andro, satria efa amam-polony izy ireny amin’izao fotoana izao. Fifaninanana masina no hilazana azy.

Ny mpandraharaha vaventy eto amintsika, dia saika manana ny gazetiny avokoa, na io gazety antsoratra, na fahitalavitra, ary tsy vitsy no manana radio. Ny mpanao politika kosa, dia vitsy no mbola nahatafatsangana ny azy, fa izay nanana dia nivarotra ny teo antanana. Na dia hambara ho misy aza ny teritery eo amin’ity asa ity, dia tsapa fa miroborobo izy io eto Madagasikara. Ny mpamaky no misafidy izay heveriny ho mahafinaritra azy, ka tsy ho gaga isika raha misy ny
latsaka an-dàlana noho izay tsy fahaizana mifehy ny filan’ny mpamaky izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}