Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h56
 

Teny zato, kabary arivo

Ripaka ny mpitari-tolona

vendredi 20 juillet 2007 |  206 visites  | Naivo kely

Dia tratra indray izany izao ny mpanao politika iray, izay isan’ny be fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena ka nahalikiliky ny hafa ny hevitra navoakany. Tsy hitsabaka amin’ny asan’ny mpitandron’ny filaminana sy ny fitsarana isika, fa ny azo antoka dia tsy maintsy hiditra am-ponja ary mety ho eny Tsiafahy, satria ny fanjakana tsy handany vola be ho sandan’izay mahazo azy raha toa zavatra ambara ho madinika no hiampangana azy ?

Manomboka ripaka ny mpitari-tolona tamin’ny raharaha 2002 hoy ny mpitazana, satria teo i Voninahitsy dia io iarahan’ny rehetra mahita io ny mahazo azy eny Tsiafahy. Ny Jeneraly Andrianafidisoa izay isan’ny nanao fanafihana naka lapa raha tsy hiteny afa tsy an’Andohanatady dia ireny niharan’ny figadrana ihany koa noho ny heloka ambara ho fanonganam-panjakana saika hataony, ary dia ity indray azo ingahy Pety Rakotoniaina. Ny mpiara-mitolona tamin’ny raharaha 2002 nampiakatra izao fitondrana izao tamin’ny toerany, dia maro no tsy sahy miloa-bava intsony, satria matahotra ny toy ny mahazo iretsy namany, ary ireo nanohitra kosa dia tsy vitsy no nandalo tany am-ponja, ary mbola maro no tavela any mandrak’androany. Mbola hisy sahy haneho hevitra ve eto ? Eny angamba satria toa tsy nahitana firaisan-kina akory teo amin’ireo mpanao politika niray tendro raha nisy voasambotra ny namany, ny vahoaka nantenain’ny sasany hanampy azy koa ity repotry ny fiainana ka aleony mitady izay harapaka isan’andro. Dia ho sanatria ho be fahavalo politika ve eto Madagasikara ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS