Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 20 octobre 2021
Antananarivo | 19h57
 

Tribune libre

Maputo

Resy ny Tolom-bahoaka

jeudi 13 août 2009

Hery pôlitika roa mitovy tombon-tsoa katsahina sy arovana no nivory tany Maputo : Hery mpomba ny vahiny mpanani-bohitra, mpanjakazaka an-tanin’olona, mpangoron-karena, tompon’izao rafi-pandaminana nolovana tamin’ny fitondran-janatany ary nohamafisin’ny fanontoloana izao. I Firantsa no tompo-marika sy mpibaiko ary mpandrindra izany rafitra izany aty Afirika mainty ary eto Madagasikara. Rafitra manabe voho ny tombon-tsoan’ny vahiny amin’ny fanihifany ny harem-pirenena, fa mampahantra fadiranovana kosa ny vahoaka Malagasy eto amin’ny taniny. Ireo tia tanindrazana miankin-doha amin’ny any ivelany no fitaovana enti-miaro ary mampateza izany rafi-pandaminana izany mandraka ankehitriny.

Vitsy ireo tena tia tanindrazana, hoy ny Filoha ambonin’ny Tetezamita, Atoa Andry Rajoelina, raha nanainga ho any Maputo izy.

Ho tafaverina soa aman-tsara eo amin’ny fitondrana indray ireo olony hiatrika fifidianana atsy ho atsy. Nahazo famotsoran-keloka faobe daholo mantsy izy ireny.

Resy kosa ny tolom-bahoaka malagasy, satria tsy mitondra amin’ny famaliana ny fandaminana vaovao notakiny tamin’ny fidinana an-dalambe ny vokatry ny dinika tany Maputo.Ny mpanao pôlitika no nifandamina sy nifampiaro tombon-tsoa ary nizara seza.

Manoloana izany tranga rehetra izany, ny OTRIKAFO dia milaza mazava fa :

Efa nampoizina tokoa fa tsy maintsy ho toy izany ny voan-dalana avy any Maputo.Tia tanindrazana miankin-doha mantsy no maro an’isa tamin’ireo nifampiraharaha no sady efa nitondra hatramin’izay sy / na nifandray tendro tamin’ny fitondrana nifandimby, izay nanao tohatra fiakarana hatrany ny vahoaka, ka nampahantra fadiranovana azy toy izao.

Fanomezana vahana ny tsy maha maty manota ary fizarana ho roa miavaka tsara ny olom-pirenena malagasy ho sokajy roa tsy mitovy zo aman-kasina ny famotsoran-keloka natao tany, satria raha mpanao pôlitika izany ka nahavita heloka bevava, nefa tsy mbola nanefa sazy akory dia azo votsoran-keloka maimaim-poana, ka zary madio toy ny aparasily, fa raha olon-tsotra kosa dia migadra am-polo taona maro manefa sazy. Tsy hita amin’izany ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny. Fanaovana zinona ny vahoaka sy tsy firaharahana ny haja amam-boninahi-pirenena ary fitondrana mankany amin’ny fanosihosena ny lafiny maha olona sy maha olom-banona ary maha olon’ny fiarahamonina mendrika izany. Mitondra amin’ny Fanjakan’i Baroa sy ny fanaovana didin’ny be sandry ary ny famoteham-pirenena ny fanapahan-kevitra tsy am-pihaverana toy izany, satria maneho fitaizana amam-panabeazana mamoafady eo amin’ny mpiara-belona ary ny taranaka ho avy.

Noho izany ny OTRIKAFO dia manao antso avo amin’ny vahoaka tia tanindrazana tsy miankin-doha rehetra mba hifanome tanana hanosehana ny mpanao pôlitika mpanapa-kevitra mamohehatra toy itony, satria loza ho an’ny Malagasy manontolo ary ny taranaka ho avy no ataon’izy ireo fa mitondra amin’ny famotehana, fandevonana ny firenena malagasy tsotra izao. Tsy maintsy atambatsika ny herintsika mba tsy hiparitaka sy tsy hipatitaka intsony. Hivondrona isika ho hery lehibe hahafahantsika miatrika ireo fifidianana samihafa isan’ambaratongany hananganantsika ny Lapasoan’ny vahoaka Malagasy tia tanindrazana tsy miankin-doha miaraka amin’ny Kianjabeny hiverenan’ny fiandrianam-pirenena efa very zato taona mahery izay. Aina ity, hoy i Rainimanonja.

Avotra ity ! Fanavotana ity !

Masina ny Tanindrazana.

Mitohy ny tolona.

OTRIKAFO

12 commentaires

Vos commentaires

  • 13 août 2009 à 08:36 | ragasy (#416)

    Izao lozaiko anreo ry Otrikafo :

    Naka an-keriny nt fitondrana tamim-pomba mamohehitra, narahina fati-olona sy fandravam-pananana ianareo. Inona no lazainareo tamin’ny :

    - fitondrana ny olona eny amin’ny zone rouge - satria lapam-panjakana - nefa fanatatrareo tsara ny zavatra miandry azy ireo. Ary porofoy fa ny miaramila mpiandry ny lapa tokoa no nitifitra (ny mpanao gazetin’ny RTA, olona tery amin’ny cinéma Roxy izay lavitra ny toerana nisy ny fifampitifirana).

    - fandrobana maro samihafa natao tamina orinasa maro, tsy ny an’i Ravalomanana ihany,

    - misy ny fisamborana be fahatany izay midika ho fanamparam-pahefana tsotra izao.

    Fito volana izao no nitondranareo ny tany sy ny fanjakana. Hitam-poko hitam-pirenena ny fandehan’ny fiainam-pirenena :

    - mikororosy ny fiainan’ny mponina, mandry tsy lavo-loha isan’andro lava izao,

    - voan’ny "racket" tsy miato ny orinasa maro izay hany sisa tsy nikatona,

    - ny didiko fe-lehibe ataon’ny mpitondra eny amin’ireny orinasa ireny (be dia be ny porofo),

    - ny kolikoly tsy hita ho tanisaina intsony,

    - fanaovana gaboraraka ny fananam-panjakana,

    - mitontongana ny harin-karena izay lazainareo fa hanananareo fahaizana manokana eo amin’ny fitantanana azy na dia tsy misy vola avy any ivelany aza.

    Hoy ianareo :

    - Fanomezana vahana ny tsy maha maty manota : i Coutiti, Voninahitsy, depiote haja rahalahin’i Pety... sy ny siasa ve notianareo lazaina ?

    - I Firantsa no tompo-marika sy mpibaiko : f’angaha lasa biby indray i lafrantsa rehefa avy nanampy anareo hanongam-panjakana tamin’ny vola an-tapitrisa maro nanaramana ireo mersenera nationaly notarian’i Ra-Charles sy Lilison ?

    - Vitsy ireo tena tia tanindrazana, hoy ny Filoha ambonin’ny Tetezamita, Atoa Andry Rajoelina, raha nanainga ho any Maputo izy. : iza marina no tiany ho lazaina amin’izany : ireo miziriziry mitondra ny firenena any amin’y helo ve sa ireo mahatsapa fa tokony hatsahatra izao fianandrinana tsy misy farany izao ka tsara ny fifamelana hiaingana amin’ny lamina vaovao hiarahan’ny rehetra manangana (départ à zéro), satria samy nanao fahadisoana daholo, na ioza na iza ?

    - Fanjakan’i Baroa sy ny fanaovana didin’ny be sandry ary famoteham-pirenena : ka tsy izao hatrehantsika ankehitriny izao ve izany ?

    - Resy ny Tolom-bahoaka : vahoaka iza ary tolona ahoana ? Tsy ny fialana amin’izao ataonareo izao ve no TENA HO TOLONA manomboka izao ?

    Fehiny :

    Tsara ny tsy miankin-doha amin’olon-kafa, indrindra fa amin’ny any ivelany ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena kanefa izao :

    - tsy maintsy mila ny mpanam-bola isika aloha.

    - adidinareo milaza azy ho teknisiana no mitady ny hevitra hampahomby ny ezaka ataontsika ka hialana amin’ny fanampiana lava izao. Fa za be resaka fotsiny amin’ny hoe tsy mila fanampiana fa mahavita tena ! Slogan fotsiny izany.

    - ampianaro ny tanora hafantatra ny atao hoe : lalana, andraikitra, fiaraha-monina (devoirs civiques), fitantanana mahomby sy tsy misy risoriso.

    Izany no takiana aminareo fa tsy famahanana lalitra.

    Raisiko ny hiakanareo :

    Aina ity, hoy i Rainimanonja.

    Avotra ity ! Fanavotana ity !

    Masina ny Tanindrazana.

    Ampiako hoe : Tsy mila mpanoariana.

    • 13 août 2009 à 08:51 | Noue (#2427) répond à ragasy

      Un grand bravo à "ragasy"

      Raha tsy tonga saina @ zao nolazainao zao ry OTRIKAFO , tsy ho tonga saina intsony.

      Ilay afo miotrika lava ao koa angamba tsy nokarakaraina ka hany mihotrikotrika ao fotsiny , mba havaozina e !

    • 13 août 2009 à 20:56 | Jim-0450 (#945) répond à ragasy

      Ara-dàlàna ny fanazavana nentinao ry Ragasy fa asa na ho tonga any an-dohan’izy ireo izany na tsia fa mety dia mety ny fandraisan’dRagasy ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena anao.

      Ny zavatra tsara ho fantatr’ireo OTRIK’.. ireo dia Izany fanonganam-panjakana mitam-basy sy ny fibodoana fitondrana tsy nisy fifidianam-bahoaka izany anie ka :CONDAMNATION A MORT no sady kely indrindra é !

      Mbola miampy sesi-tany raha tena avo-lenta ny fitsaràna.

      Ajanony io vava tia petsopetsona io ry OTRIK’..fa ahitàna angano...

  • 13 août 2009 à 08:46 | Noue (#2427)

    Hafa kely indray izany lazain’ny OTRIKAFO ho fitiavan-tanindrazana @ fitsikerana sy ny tsy fitiavana ny sasany zany an !

    • 13 août 2009 à 09:01 | NOFY (#2225) répond à Noue

      OTRIKAFO a OTRIKAFO ;tolom-bahoaka a tolom-bahoaka.Firantsa sy afirika,fa taiza i tgv no niafina refa tena namaivay ny fangalara tseza nataony ?Ary inona no mba lazainareo @ zao tsy fanajana ny democratie zao ?@ zao basy no miteny zao ? sns ratsy tsy voatanisa ;sa zany no nitolomanareo ?Fantatra anie fa mody nanao sonia rajoelina mba ahazoany reconnaissance fotsiny e ary fantatra koa fa izy dia tsy hanatanteraka an io charte io akory.Zao fotsiny no lazaiko anareo otreo ao ny afonareo a dia tohano tsara rajoelina fa izy koa mba manohanana anareo ar bola ihany fa zao aza asiana resaka vahoaka fa ra ny vahoaka dia efa leo tanteraka.

  • 13 août 2009 à 08:49 | ragasy (#416)

    ampianaro ny tanora hafantatra ny atao hoe : lalana, andraikitra, fiaraha-monina (devoirs civiques), fitantanana mahomby sy tsy misy risoriso.

    Raha io no imasoanareo dia hiditra ao amin’ny Otrikafo amin’izay aho. Satria raha vitanareo io dia tsy hila fanampiana avy any ivelany intsony isika.

    Tsara anie ny foto-hevitrareo é. Fa tsy foza orana no hahavita izany.

    Am-pitiavana be hoy ny fitenin’i Ricky

    • 13 août 2009 à 15:08 | Rasoa (#1122) répond à ragasy

      Fa IZA kay io OTRIKAFO io Ragasy ?

      Jamais entendu parler de OTRIKAFO ? Antoko politika matanjaka ve ? IZA no ao ambadika ?

      Raha azoko tsara dia mety VOAIRAKA HANDOTO RANO ??? Amin’izay SAO dia mety hiova hevitra indray ny tena mpitolona hoe : AHOANA TOKOA ??? BE POLITIKY MARINA - Sao dia AKAMAN-DRY RATSIRAHONANA ???

      Izaho Rasoa, izay tenenin-dRagasy sy Nofy sy Noue, tonga dia raisiko ho MARINA satria fantatro fa tena MITOLONA ho an’ny TANINDRAZANA ianareo e !

    • 13 août 2009 à 15:10 | Rasoa (#1122) répond à Rasoa

      Ilay hoe :

      ....MITOHY ny TOLONA ....izany mety hoe MITOHY ny KORONTANA dia amin’izay MBOLA TSY MODY ANY i RAVALOMANANA ??????

  • 13 août 2009 à 16:28 | Rakotoasitera Fidy (#2760)

    Faha iza tokotrany moa ity OTRIKAFO ity e ?
    Ary inona marina izany tolom-bahoaka
    resahiny izany ? oatrany tamin’ny androdrizareo kaomnista siantifika
    ilay ’appellation’

    Rehefa tsy mitovy hevitra aminy ve dia tsy vahoaka intsony ?

    Nanabe ny tombon-tsoa ny vahiny amin’ny fanihifana ny harem-pirenena hono izany
    ry Tsiranana ry Generaly Ramanantsoa
    ry Ratsimandrava ry Ratsiraka ry Zafy
    ry Ravalomanana ary i Andry Rajoelina
    kosa dia ilay anjelin’Andriamanitra

    O Ragasy a ! inona intsony moa izany ny ilana antsika faha tsy aleo ve mandeha manjono any Maroantsetra ?

    Sa ahoana ?????

  • 13 août 2009 à 18:09 | ragasy (#416)

    Izy io, raha tsy diso aho, dia association hiarahana teknisiana sy universitaires d’obédience AKFM-KDRSM. Aoka izy hanitsy ahy raha diso aho.

    Izy izany dia mivohy ny foto-kevitra manilika ireo bailleurs de fonds, indrindra tandrefana. Ary milaza fa tsy ilaina ny fanampiana avy any ivelany fa tokony hahavita tena isika.

    Mankahala an-dRa8 fatratra ary tsy misy discernement fa "halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao".

    Izay no fantatro. Ampio na amboary raha misy diso.

    • 13 août 2009 à 19:59 | gasy261 (#1480) répond à ragasy

      ô ragasy a ! izao izany no fombanareo ra8-ista ireto amin’ny fanmpielezana tsaho. lazaina fa teny amin’ny roxy indray ny mpanao gazetin’ny RTA no norarafan’ny miaramilan-dra8 ny tifitra vary raraka, marikoriko ianareo sy ny tarikareo rehetra ireo, ry rasoa sy ny tariny....

    • 15 août 2009 à 10:50 | ragasy (#416) répond à gasy261

      Tssssssssss ! Mba vakio tsara ny laizaiko fa aza mirediredy eo é !

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS