Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h21
 

Teny zato, kabary arivo

Ratsy toerana

mardi 10 juillet 2007 |  147 visites  | Naivo kely

Tsy afaka ny hihambo ho nahavita fahagagana ho mamin’i TIM ny filoha mpitarika ankehitriny, Razoarimihaja raha nanao ilay fihaonana teny amin’ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny alahady lasa teo, satria ny isan’ny olona sy ny birao politika tonga tao dia afaka hitsarana izany.

Aiza izany TIM miantso vahoaka izany, na tsy misy mpanankanto aza ? Dia ireny ve ny olon’ny TIM eto an-drenivohitra raha atao tomba-maso ? Mpanankanto malaza avokoa anefa no nantsoina tao, saingy nalaina ny maro. Dia sanatria ve ho hita taratra amin’ireny fa efa nivadika ho an’ny amin’ny fanoherana avokoa ny rehetra ka mety ampitombina ilay filazan’ny maro hoe, « efa naloam-bahoaka » ity antoko ity, ka tsy lany « 1er tour » ny filoha fa nisy ny hala-bato, na nandresy ihany koa ny TSIA fa nampandresena ny ENY ? Tsy hidingin-drambo fa manana ny marina ihany koa anefa ireto CRT ireto, fa ho hita eo ihany izay avoakany amin’ny hetsika izay hataony ato ho ato.

Dia ho sanatria ve ho ratsy toerana ity antoko vao nitsiry nefa hambara ho matanjaka malemy ity ? Marina ny tenin’ny filoham-pirenena hoe « miady ho lohany avokoa ny rehetra », koa aza gaga raha tsy ampy 7 taona dia tondroin’ny olona molotra ianareo, ka tsy ny mpanao gazety indray no lazaina fa voavidy mivoy ny olana anatinareo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS