Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 3 juillet 2025
Antananarivo | 23h41
 

Filazana manjo

RAZANAMPINOANA

mercredi 30 janvier 2008 |  1756 visites 

Sitrak’Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony hody any aminy :

RAZANAMPINOANA
(Vady navelan’Itompokolahy TIMSON Rozan)
Officier de l’Ordre National


Ny alatsinainy 28 Janoary 2008, rehefa nivahiny 80 taona teto an-tany.

Hoy

  Ny zanany :
RAJAOHARILALA Raymond sy Nary
Mme Veuve RAKOTONDRAMANANA Nhary
RATIMISON Arison sy Florence
ROBINSON Adolphe sy Timiarisoa
RAKOTOZAFY Andriamparany sy Chouchou
Mme Veuve RAMIARINJAONA Olivia
RATIARISON Rozan sy Sissie
RATIMISON Hery Fidy sy Saholy
RAZAFINDRAZAKA Timison sy Johanna

  Ny zafikeliny, ny zafiafiny, ny zafindohaliny, ny iray tampo aminy, ny iray tampo amin’ ny vadiny ary ny fianakaviana manontolo.

Ireo mpitandrina sy ireo Fiangonana FJKM Peniela Fahazavana Ambodiala, ny EKAR Ambodiala, ny FJKM Anjanahary Maritiora ary ny FJKM Mandiavato.
Ireo Fokontany Anjanahary II N sy Ambodiala Ambohitrabiby ary Mandiavato Miarinarivo.

Ny nofony dia hiala ao Anjanahary Lot II N 134 F, ny sabotsy 02 Febroary 2008, amin’ ny 12 ora antoandro, ho entina hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ao amin’ ny FJKM Peniela Fahazavana Ambodiala alohan’ ny hametrahana azy ao amin’ ny fasan-drazany ao Ambodiala.

« Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy,
dia mahantra indrindra nohon’ ny olona rehetra isika ».
(I Kor. 15/19)

Tsy misy fiaretan-tory.