Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :

RAKOTO RAPHAËL
(ex-gérant Mellis)
ORDRE DE MERITE DE MADAGASCAR
CHEVALIER DE L’ORDRE NATIONAL
dia nodimandry ny Alakamisy 03 May 2007 rehefa nivahiny 93 taona teto an-tany ary nahazo ny sakramenta farany fanomen’ny Eglizy ny zanany.
Hoy
– Ny zanany :
Veuve RAKOTO Claudine sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTO Zoé sy ny zanaka aman-jafiny
RAKOTO Louis Christophe sy Vololona sy ny zanany
– Ny renin-janany :
RAHARIMANANA Marguerite
– Ny fianakaviana manontolo
– Ny EKAR fanahimasina Analamahitsy
– Ny fokontany Analamahitsy Cité
– Ny EKAR St Michel fanantenana Andriampamaky
– Ny firaisana Ambohitrony
– Ny fokontany Andriampamaky
Ny nofony dia hoentina hiala ao amin’ny tranony Cité Analamahitsy logt 482 ny Alahady 06 May 2007 amin’ny 12 ora, ary hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny EKAR St Michel fanantenana Andriampamaky alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Andepokely Andriampamaky ihany.
« Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho »
(Timoty 2 ; toko faha-IV ; Andininy faha-07)
Ity no solon’ny fampandrenesana,
tsy misy fiaretan-tory.