Toa mivadika ho fankahalana olona indray ny fahitana ireo fotodrafitr’asa napetraka teto andrenivohitra nandritra ny volana vitsy izay, satria lasa kandida ilay olona nanao izany. Asa tsy nampitsanga-menatra ny firenena Malagasy nandritra ny lalaon’ny nosy ireny, ary mbola reharehantsika hatramin’izao, kanefa mbola mipetraka ilay fomba fijery fa tsy azo hanina ireo asa napetraka ireo. Fa ngaha moa raha kandida hafa no tafakatra eo dia ho voky avokoa ny vahoaka, ary tsy hanao asa mihoatra noho ny teo aloha izy ? Ovao ny fomba fijery fa Iarivo ho an’ny Malagasy ity fa raha mbola izay toe-tsaina tsy mety mivoatra izay no mipetraka eto, dia Andralanitra kely no renivohitry i Madagasikara, satria ny asa vita tsy ho an’i PDS na izay ho ben’ny tanana fa ho lovain’ny taranaka faramandimby.
Ovao ny fomba fijery
vendredi 16 novembre 2007 | 784 visites |