Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Omeo ny baiko

jeudi 22 mai 2008 |  513 visites  | Naivo kely

Ho tonga ny vola eny anivon’ny kaominina ny herinandro io. Samy hanana ny paika adiny avokoa ny ben’ny tanàna rehetra amin’ny asa mivaingana ilain’ny mponina eo an-tanàna. Ny fahaizana
mandresy lahatra ny mponina sisa andrasana,
satria mbola asa goavana io. Fandrosoana inona no ho hita raha tsy eo amin’ny vahoaka ny risim-po hiaraha-hampandroso ny faritra.

Fa isan’ny maha-taraiky ny faritra iray, indrindra ny any ambanivohitra ny tsy fisian’ny Jiro hanazava ny tanàna. Asa maro no vita amin’ny alàlan’ny herinaratra. Firy anefa ny kaominina mbola tsy ahitana io Jiro raha vao miala kilaometatra vitsy miala ny renivohitra. Raha vao miteny ny filoha Ravalomanana, dia saika tafapetraka avokoa ny fotodrafitr’asa isan-karazany. Omeo ny baiko Prezida mba ahafahan’ny vahoaka any ambanivolo mahazo hazavàna. Tafiditra ao anatin’ny teny ifanomezana ao amin’ny MAP ny angovo ampy ho an’ny mponina. Mby aiza ny fanatanterahana izany ankehitriny ? Tsapa fa maro ireo kaominina efa nangataka ny hampidirana Jiro, nefa tsy mbola nivaly ny fangatahana hatramin’izao. Ny eto an-drenivohitra aza mampiditra Jiro ao antokan-trano dia efa lafobe ny saran’izany. Izany ve no tany mandroso ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS