Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 18h56
 

Teny zato, kabary arivo

Omena fitaovana ny olom-boafidy

jeudi 8 mai 2008 |  487 visites  | Penjy R.

Hirosoana amin’ny asa dia tsy atao ambanin-javatra ny fitaovana ho entin’ny loholona miasa. Isan’ny nambaran’ny filohan’ity andrim-panjakana ity io raha vao nandray ny toerany izy ny talata teo. Tsapany fa tsy hisy asa ho vanona raha toa ka tsy misy ny ampinga ampiasaina amin’izany.

Tsinjo avy hatrany io fa fiara 4x4 sy ny solika mandeha aminy. Eo ihany koa mazava ho azy ny karama sy ny tambiny, ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny trano honenana sy ny vola ho azo raha marary. Tsy misy maharatsy izany, hoy ny mpitazana, satria fomba ahoana tokoa no ahafahana miasa raha toa ka tsy omena ny fahafaha-manao rehetra ireny olom-panjakana isan-karazany ireny.

Fa mba ahoana kosa ny madinika ? Teny fandre etsy sy eroa ny hoe mila miasa sy mamokatra isika. Ny mpiasam-panjakana terena hamita ny asany, ary misy mihitsy ny ora napetraka mba ahafahany mahavita ireny asa nankinina aminy ireny. Ny tambiny tsy misy fa ny karama isam-bolana no anjarany. Ny vahoaka isan’isany mba ahoana ? Tsy misy fitaovana entina mamokatra fa ny kely ananana aza lasan’ny dahalo. Miezaka ihany anefa ny maro hamita ny tandrify azy, ary dia ireny no mamatsy ara-tsakafo ny maro, raha tsy hiteny afa-tsy ny tantsaha isika. Midika io fa afaka miasa ny rehetra rehefa eo aminao ny finiavana, fa tsy sanatria tambazana fitaovana goavana, izay miteraka fandaniana eo amin’ny kitampom-bolam-panjakana lava izao fa hiasa. Sa izay no maha olom-boafidy azy ireo. Aoka kosa isika tsy ho ory hava-manana e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS