Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h57
 

Teny zato, kabary arivo

« Ohatry ny tany mpisambotra olona aty »

mercredi 5 septembre 2007 |  386 visites  | Naivo kely

Tonga tsy amin’ny ahiahy eto antanindrazana omaly i Rossy izay nandao an’i Madagasikara taorian’ireny savorovoro nisy ny taona 2002 ireny. Tsy i Rossy irery ny mpanakanto nisitaka fa nisy hafa, saingy nody ny lehilahy rehefa nahatsiaro ho irery tany antanin’olona. Raha zohina tokoa ny tantara dia tsy mba isan’irony olona noheverina ho fahavalom-pirenena ireny ny tenany satria tsy heno nanao barazy na nandripaka olona sy fananam-panjakana, saingy noho ny maha-mpanolotsaina ny filoha tamin’izany ny tenany, dia iny nisitaka iny izy niaraka tamin’ny fianankaviany vitsy.

Tonga izy izao, dia inona ny ho tohiny ? « Tsy manana olana amin’ny filoham-pirenena aho », hoy izy raha tafasiry tamin’ny mpampahalala vaovao, kanefa hisy hiaino ve izay feony izay ? Tsaroan’ny maro ny zava-niseho raha nody teto ny ministry ny Polisy teo aloha Azaly Ben Marouf, izay tsy nisy olana teo aminy kanefa raha vao nigadona an-tanindrazana dia ireny niarahana nahita ireny ny fanagadrana azy. « Ohatry ny tany tsy misy olona aty », hoy ny tonon-kirany, ka aleo mody mamonjy ny akany. Mpanakanto malaza i Rossy koa moa ve hanao fampielezan-kevitra no tanjony, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao no niverenany ? Enga anie mba tsy hivadika ilay tonon-kira ka lasa hoe « ohatry ny tany mpisambotra olona aty e ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS