Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Teny zato, kabary arivo

Ny soa atao loza mihantona

mercredi 1er août 2007 |  211 visites  | Naivo kely

Miteraka fanafintohinana ho an’ny maro ny mandre fa potehin’ny foko merina hono ny tanindrazana satria ny filoha Ravalo dia merina. Diniho ny tantara vao manenitr’olona, fa saika ny merina hatrany anie no nampandry tany teto vao toy izao isika e. Tsy hidirana lalina ny tany amin’ny andron’ny faha-mpanjaka. Niongana ny filoha Philbert Tsiranana, moa tsy nahatsapa ve isika fa ny Jeneraly Ramanantsoa no nantsoina nandamina ny raharaha teto, izay tsy iza fa merina io olona io ? Niongana i Ratsiraka ny taona 91 mbola i Razanamasy, merina hiringiriny no natao nampandry ny tany teto, dia nilamina ny raharaha. Nitondra indray i Zafy Albert, saingy tratry ny fitsipaham-pitokisan’ny depiote maro an’isa dia iny Ratsirahonana fa nomena sehatra nitondra ny tany sy ny firenena. Koa ankehitriny ve raha Merina I Ravalo dia vohizina fa potehin’ny Merina ny tanindrazana. Raha marina io, aoka ho avahana ny vary amin’ny tsiparifary fa tsy atao safo-bemantsina ny tantara. Ny hita dia efa samy nitondra teto ny foko hafa mpiray tanindrazana, koa nahoana no volena indray ity resaka ity ? Sa ny soa atao loza mihantona ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS