Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h10
 

Teny zato, kabary arivo

Ny asa vita no hifampitsarana

mercredi 23 avril 2008 |  844 visites  | Naivo kely

Resaka an-dàlam-be indray ny anaran’olona mety handravaka ny Governemanta atsy ho atsy. Tombana avokoa ho an’ireo izay mba manana hevitra sy mpanao fanadihadiana politika rehetra izany. Liana ny maro, satria tsy ny olona handray ny fahefana no mahaliana fa ireo voahaisotra amin’ny toerany.

Tsy ho takona afenina amin’ny filoham-pirenena anefa ireo tena nahavita ny andraikitra nankinina taminy. Andraikitra izay mifanitsy amin’ny filan’ny firenena, fa tsy sanatria ho amin’ny tombontsoa manokana. Na dia samy mihevitra ho nahavita be tamin’izany aza ny ministra isan’isany, dia ny fiantraikany any amin’ny vahoaka no tena zava-dehibe. Ny fahasahiana nandray andraikitra ihany koa dia ho tarafin’ny rehetra, indrindra fa ny filoha. Ny asa vita eto no hifampitsarana. Hatreto dia mihazakazaka ny toe-draharaha, satria ny olona 11 ho tendrena ho loholona mbola andraikitra goavana ho an’ny filoham-pirenena, ary etsy ankilany ny ao anaty Governemanta. Tsy ny olona omena andraikitra no tsy misy fa ny azo hitokisana. Miandry ny rehetra, ary tsy ho diso ny maro raha samy manombana izay heveriny fa hipitihan’ny vintana hahazo izany toerana goavana izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS