Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h52
 

Tribune libre

Ny Vahoaka Malagasy mivondrona ao anatin’ny Ankolafy Madagasikara

jeudi 7 janvier 2010

Antananarivo, faha 06 Janoary 2009

Ho an’Andriamatoa Andry RAJOELINA

Antony : Fiantsoana hankato sy hanatanteraka antsakany sy andavany ny Satan’i Maputo sy ny Tovana tany Addis-Abeba.

Tompoko,

Noho ny fahatongavan’ny taona 2010, izay iandrandràna filaminana sy voka-tsoa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsivakivolo, dia voninahitra ho anay Vahoaka Malagasy mivondrona ao amin’ny Ankolafy telo : Albert ZAFY, Didier RATSIRAKA, Marc RAVALOMANANA, antsoina hoe « ANKOLAFY MADAGASIKARA », ny manao antso avo amin’ny fitiavan-tanindrazana ao anatinao, mba hitsinjovanao ny tombontsoam-pirenena, ka hanekenao am-pitiavana ny hankato sy hanatanteraka antsakany sy andavany ny Satan’i Maputo sy ny Tovana miaraka aminy tany Addis-Abeba, izay efa nosoniavinao tsy nisy teritery, fa tamin-kitsim-po tanteraka.

Hamafisinay fa tsy misy afa tsy ny fanajana ireo teny nomena nandritra ireo fifanarahana ireo, no hany lalan-tokana hivoahana amin’izao krizy ara-tsosialy sy toe-karena mianjady amin’ny firenena izao. Koa dia mitady ny fampiharana ireo fifanarahana sy sata voalaza eo ambony ireo izahay Vahoaka Malagasy.

Tsy vahaolana ny herisetra sy ny herim-pamoretana, koa eo am-panantenana ny fiovan-kevitra avy aminao mba hivahan’ny olana, dia raiso, Tompoko, ny haja ambony atolotray anao.

Amin’ny anaran’ny « Vahoaka ao amin’ny Ankolafy Madagasikara ».

Sonia marobe

5 commentaires

Vos commentaires

  • 7 janvier 2010 à 09:18 | Basile RAMAHEFARISOA (#417)

    Maintenant tout est clair :

    - il y a un POUVOIR EXECUTIF avec un GOUVERNEMENT rôdé pour expédier les affaires (courantes),

    et

    - il y a une opposition (même de façade)« mouvance madagascar »

    ALLONS-Y à l’élection du 20 mars 2010.

    Chacun peut surveiller scrupuleusement le déroulement de l’élection des « REPRESENTANTS du PEUPLE » le 20 mars 2010.

    Si le G.IC. est logique en lui-même,il viendra en aides matérielle et financière pour la réalisation de cette élection.SINON,circulez,il n’y a rien à voir.Les chantages,ça suffit !!!!

    Basile RAMAHEFARISOA

    • 8 janvier 2010 à 21:20 | ratiarivelo (#131) répond à Basile RAMAHEFARISOA

      Mr. BASILE RAMAHEFARISOA : à la fin de la 2e guerre mondiale : tous et toutes les COLLABO. (pendaison sur pendaison par la justice POPULAIRE) vous qui conaissez bien l’histoire de la mère patrie ?? MASINA NY TANINDRAZANA ATTENTION à VOUS

  • 7 janvier 2010 à 12:32 | meloky (#637)

    Raha tsara tanjona sy soa toavina ireo milaza azy fa « mouvance » tena mijery ny hampandroso an’i Madagasikara tokoa tokoa, Nahoana no misalasala amin’ny fifidianana ! Sa mahatsiaro ny « tongolon’i Egypta » ( ny fomba fanaonareo amin’ny fifidianana fahizay ) Dia izao manangan-kozatra mahatsiaro tena fa tsy mahomby aty amboalohany ka miantso vonjy !

    Teo ianareo najaina TSy hita izay fandroson’ny raharaha !!!!

    Tsy Aleo ve handroso haingana amin’ny FIFIDIANANA !!!

    Raha ny fahitana amin’ny maso tsy miangatra dia io no lalana tsy angatahan’andro intsony ; fa izay te hanemotra io fifidianana io dia azo kilasina ho tena faly amin’ny fampijaliana ny « gasy tsy vaky volo ».

    TSY MILA VINANY INTSONY NY VAHOAKA FA ALEO NT FIFIDIANANA NO HOENTINA HANATRATRANA NY TANJONA DIA NY REPOBLIKA FAHA-4 !!!!

    Ataovy tsara ny "observation ! raha toa ka tsy matoky tena amin’ny fandraisana anjara !!!!!!

  • 7 janvier 2010 à 17:03 | Maharaka (#576)

    Nts !

    Main’ny afo ntsanganareo ianareo ry ankolafy telo a. Ianareo ihany no nahatonga io Accords de Maputo sy acte additionnel d’Addis Abeba io hidaboka. Aiza amin’io charte io no mbola maniraka ny hoe manaova Maputo 3 indray ? Efa mba nahazo co-présidences, PM, président congrès sy CNR ihany anareo nefa tsy nampiasaina nentina hiady fa mbola nilaozana mitsangatsangana nde-hijery andRadidy sy Ravalo indray. Dinika tokony tsy hivoaka Madagasikara akory. Tonga tany koa mbola ny nanoratra mankany @ PM Danemark sy ONU mandrara solontena malagasy tsy ho raisina @ fivoriana iraisam-pirenena no natao priorité.

    Naninona fony mbola teo ampelatanareo, ianao Zafy, Mamy, Fetison sy Rakotovahiny, etc. ny fahefana no tsy niezaka hoatr’izao anareo mba hanerena ny mouvance andaniny hanarahana antsakany sy andavany io charte de Maputo io ? Mino aho aho fa Tafita moramora kokoa ny fandresendahatra nataonareo raha tamin’ireny fotoan’ny anareo mbola tsy voaendaka fahefana ireny no nadray responsabilité ka niezaka toy izao ataonareo izao. Hay ve ka inoanareo ihany fa zavatra azo atao tsara eto an-toearana kay ilay antso fifampidihana e. Tamin’ireny anefa dia nomena anareo ny trano fiasana, fiarakodia, gardes du corps, nefa tsy noraisina ny andraikitra fa dia nankany Maputo 3 indray no nahamay.
    I PM Mangalaza ihany no mampalahelo anahy noho ny hadalanareo ireo ka nanaraka anareo tany Maputo 3 tany.

    Enga anie ka ho voavaha ny krizy e.

  • 8 janvier 2010 à 10:24 | hafatra (#1895)

    Mahavariana tokoa ny mamaky ity taratasy nosoratan’izy telo mitsamy ho an’i boay kely mpanongam-panjakana ity.

    Raha mba nahay nitondra tsara ange ianareo dia angamba tsy ho tonga amin’izao toerana misy antsika izao isika.Ampy anareo angamba izay !

    Mila mpanao politika vaovao ny firenena .Tsy i boay kely velively anefa izany bandy izany ...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS