Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 13h12
 

Malagasy

Raharaham-pirenena

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Radavidson A.

samedi 7 février 2009

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety Atoa Radavidson Andriamparany minisitra teo aloha omaly tolakandro tao amin’ny Apart hôtel Ambatoroka.

Nolazainy tamin’izany fa tokony ho ravain’ny filoham-pirenena ny governemanta na hametra-pialana fa tsy mahafehy ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao intsony.

Aorian’izany fandravana na ny fametraham-pialana izany no hananganana ny Governemanta Fanarenam-pirenena, ka ny praiminisitra no hanana fahefana bebe kokoa manoloana ny filoham-pirenena. Io governemanta fanarenam-pirenena io no hametraka rafi-panjakana vaovao. Ny tanjona amin’izany hoy ihany izy dia ny hisian’ny fifidianana marina tsy mitanila ary eken’ny rehetra, ny hiaingan’ny toe-karena haingana ary ny fametrahana amin’ny laoniny ny tena demokrasia marina. Voalaza tao ihany koa ny tokony hisian’ny « loi d’amnistie » tamin’ny raharaha 2002.

Taorian’io valan-dresaka io no nanaovany antso avo tamin’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina mba hirosoana aingana amin’ny fifanantonana manoloana izao savorovoro politika izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS