Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 01h10
 

Malagasy

Kianjan’ny demokrasia

Niresaka mivantana i Marc Ravalomanana

jeudi 26 mars 2009

Herinandro katroka ny tsy nahenoana azy dia nifandray an-telefaonina tamin’ny vahoaka malagasy, indrindra ireo mpomba azy manerana ny nosy, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha vory toa ny fanaony, nanomboka ny sabotsy 21 martsa, teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ireto mpiaro ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny fitondrana tetezamita noho ny fakana an-terisetra ny fanjakana, dia niresaka tamin’izy ireo avy any Swaziland ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Toa izao izany resaka nifanaovany ny alarobia 25 martsa, izay miendrika fanambarana izany.

Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Ry vahoaka marobe vory lanina, maneho ho hitan’izao tontolo izao, ho ren’izao tontolo izao fa manohana ny ara-dalàna, miaro ny demokrasia marina ary manaja ny lalampanorenana sy ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Miarahaba anareo jiaby aho.

Faly aho, tena faly. Misaotra an’Andriamanitra fa mbola velon’aina. Misaotra anareo vahoaka Malagasy aho, misaotra anareo tonga marobe aho, Mankasitraka ary mankatelina ny fihetsika ataonareo ho fanohanana ahy. Herin’andro katroka izay, harivan’ny talata, herisetra, habibiana, fandrobana ny lapam-panjakana teny Iavoloha. Tampoka tsy nampoizina, izay no nitranga, no nahatonga anay nanavotr’aina.

Mahatoky anefa aho, mahatoky isika mianakavy, fa Andriamanitra mahery ampy ampandresy antsika. Ry Vahoaka Malagasy rehetra manerana ny nosy. Tsy maintsy mijoro isika miaro ny fampandrosoana, ny filaminana ary ny fandriampahalemana eto amin’ny tanintsika.

Tsy maintsy manao izay rehetra azo atao isika mba hisian’ny firaisampirenena ary tsy maintsy miantso isika ireo firenen-drehetra, ny vondrom-paritra rehetra mba hanampy antsika ahafahantsika mamerina indray ny fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara.

Tsaroako ireo 7 taona niarahana tamin’ny Malagasy. Maro ireo fotodrafitr’asa vita. Tao ny lalana, ny sekoly, ny toeram-pitsaboana sy ny hopitaly, sns, sns. Nanaiky izao tontolo izao fa tena nisafidy ny lalan’ny fampandrosoana marina i Madagasikara ary nanamafy hatrany ny demokrasia. Indrisy anefa, nohon’ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika. Ny lohan’ny firenen-drehetra eran-tany, ny fikambanana iraisampirenena, samy nihataka tamintsika nohon’ny fandrobam-panjakana na ny « coup d’Etat » tsotra izao.

Anjarantsika Malagasy, anjaranao, anjarako ny miaro ity tanindrazana malalantsika ity, ny mampiverina indray amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena.

Tongava maro ary ry vahoaka Malagasy, ny mpiasam-panjakana rehetra, ianareo tanora tsy ankanavaka, vonjeo ny firenentsika, arovy ny firaisankinam-pirenena, ny fiandrianam-pirenena. Asehoy ny maha Malagasy antsika, miraisa hina, mifanajà. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fahefana sy ny hery koa dia homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

Ho avy ny fotoana ihaonantsika tsy ho ela, koa dia mampahery anareo aho, mamporisika anareo aho, asehoy ho hitan’izao tontolo izao ny firaisankinantsika rehetra, ny herintsika, ny maha Malagasy antsika. Raha izaho koa no izaho, tsy hanadino anareo mihitsy aho ry vahoaka Malagasy ary mahatoky sy mino aho fa ianareo koa tsy hamela ahy irery.

Nangonin’i Rakotoarilala Ninaivo

22 commentaires

Vos commentaires

  • 26 mars 2009 à 06:03 | dxdiag (#919)

    Slt !
    Fanotaniana mba nanitikitika ahy :
    1. Raha miverina ve RA8 de milamina ny tanana ?
    2. De hanaiky ny mbola hiverenan-dR8 ve ireo tsy mitovy hevitra aminy ?
    3. De hiverina indray izany ny fitiavan-tena, sy ny fanangonan-karena.
    4. De iza indray no hosamborina ?
    5. Vahaolana ve ny mbola hitondrany RA8 eto amin’ny Firenena ?

    MISAOTRA ANAO NAMALY

    • 26 mars 2009 à 06:49 | Tsaralaza (#1600) répond à dxdiag

      Miaahaba,

      Tena tsara ny fanontaniana ka hiezaka hamaly.

      Voalohany aloha dia tsara ny ahafantaranao fa ny karazampanontaniana miaro fandrangitana toa itony no mahatonga ny Malagasy mifandrafy ankehitriny (ara-politika).

      Manaraka dia tsara ny ahafantaranao fa dia tsy hilamina intsony ny tanana raha tsy miverina « Dadanay » io moa no lasa fiantsoana azy izao, tsy voatery hitondra anefa fa hifandamina.

      Ny momba ireo tsy mitovy hevitra aminy dia io anie no tena ilana ny fifidianana e ! hita eo iza no betsaka mpanaraka dia adinombalhin’ny mpianakavy ny vokatra.

      Fanamarihana, raha izao sahady ny fomba fakana fitondrana (TGV io tiako ambara io)dia tadidio fa basy ny maka hetra sy ny fananantsika atsy aoriana kaly (izay efa ataon’ny Capsat amin’ny orinasa sasany moa amin’izao fotoana hitenenantsika izao).

      Mba jereo anie ny fihetsiketsehana tamin’ny 2002 sy ny ataon’ny mpomba n’i « Dada » amin’izao e ! Ts’isy vaky trano, ts’isy fandrobana.

      Ny soa fianatra e ! ary isika vahoaka koa mila mifampitaiza. Dia aza mora tezitra fa ny demokrasia anie manaja ny hevitry ny be sy ny maro e !

      Fifidianana sy lalampanorenana ihany no afaka ampilamina ny tanana. Fa tsy i TGV na i Ra8 samirery akory. Aza mankahala olona tokana fa tiavo ny tanindrazana.

      Farany dia tsy mbola nisy filoha nahavita ny vitany (na ireo teo aloha teto Madagasikara).

      Mandrampanoratra.

    • 26 mars 2009 à 07:01 | Rakotomalala (#832) répond à dxdiag

      Lasa izy iny ka nilamina ve ny tany ary e ??hihi

      ka ahoana milamina izy ao ?houhou

    • 26 mars 2009 à 07:09 | Sisi (#193) répond à dxdiag

      Fa ny fanontaniana apetrako aminao koa dia ny hoe :
      1. hilamina ve ny tany ary raha TGV no eo ? milamina izao ny fahitanao azy ? sa ataonao tsinontsinona ireo olona marobe ireo ? vahoaka koa nie ireo fa tsy ny mitangorongorona teo amin’ny 13 mai ihany no vahoaka e ! dia ahoana izany ireo sy ny fangatahany ?
      2. Hanaiky ny mbola hitondràny ve ? aoka hazava fa raha ny hevitr’i ravalo, dia ny hanao réferundum, manontany ny vahoaka « tsy vaky volo » hoe mbola tiany ve ny hitondrany hamitany ny mandat-ny, saingy matahotra ny valiny moa ny TGV dia nanao bodongerina fotsiny hoe izahay tsy mila, nefa indrisy fa milaza hanao ihany. Koa hoy aho hoe : rehefa lanin’ny maro an’isa izy dia na iza ho faly na iza ho tezitra dia IZY NO MITONDRA.
      3. hiverina ny fitiavan-tena ? tsy miverina hoe fa mitohy ! ataoko tohizan-dry TGVendrana izao ny fitiavan-tena ? Ravalo nefa efa nifona fa tsy hanao izany intsony, fa ny CAPSAT indray izao sy ny minisitra fôpla sy ny sisa no manohy azy ?
      4. iza indray hoy ianao no gadraina, ny hevitro aloha dia hoy aho hoe : averina any am-ponja ireo navoaka fahatàny, tsy olona gadra ara-politika akory dia navoaka, olona mpamono olona (coutiti) sy dahalo (Pety) ary mpanao chèque sans provision (Voninahitsy), izany ve no havotsotra ? tsy politika ange no nampigadra ireo e ! aoka hazava ! nefa navotsotry ny « Mpampihorohoro » ohatr’azy. Ny mitovy no mifanavotra.
      5. vahaolana ve ny mbola hitondrany indray : O ! ry mpanontany a ! rehefa izy no ho lanim-bahoaka eo dia efa izay izany e ! toy ny tsy maha-vahaolana ny fitondran’i Andry eo e ! ataoko izy izai contester n’ny iraisam-pirenena sy ny malagasy mitovy aminy ihany ! Fa izay lany eo, rehefa atao ny fifidianana dia IZAY IZANY POINT FINAL
      3

    • 26 mars 2009 à 08:04 | gasy261 (#1480) répond à Rakotomalala

      ka ianareo very fihinanana ireo izao no mitetika ny hanakorontana ny tanana eo, tadidio fa ny malagasy rehatra no tokony hihinana fa tsy nareo irery, raha mafy be ra8 miverina eo, naninona no notsoakaa ???? sa nandeha nanambitamby ny afrikana namany dictateur sy mpamono olona ? indrisy

    • 26 mars 2009 à 08:38 | rasoa (#1159) répond à Tsaralaza

      tsara tsara tsara.Mahafinaritra midera, olonkedry ianao, mety amiko ny namalianao io olona io. Mba tonga saina daholo ry malagasy a tsy R8 na TGV no hanavotra antsika fa ny fitiavantanindrazana.

    • 26 mars 2009 à 08:54 | dxdiag (#919) répond à Sisi

      Mitandre ry vahoara satra lalan-dririnina fa ho betsaka indray ny vola zandoka hiparitaka ho entin-DRA8 avy any an !

    • 26 mars 2009 à 09:08 | ton ami (#480) répond à dxdiag

      O ry dxiang a ! ny sain hoetina miresaka fa tsy ny fo tsy mandinika.

      Hita fa voavaly ara-dalan ny fanontanianao de lasa ndray enao mamorona.
      Fanontanianan no apetrako aminao , aiza kay ny volatsika no imprimena ? de isaky ny inona no tonga aty ?

      De mba valio de ho hitanano ny valiny raha nanao economie ianareo.

    • 26 mars 2009 à 09:26 | Riana (#1605) répond à Tsaralaza

      Mankasitra ary manohana zato isan-jato ny valin-teninao !
      Iza moa no nahavita mihoatra izay vitan’i « dada » hatreto ?
      Marina, nisy ny tsy nety nefa zay tsy nanao hadisoana no aoka hitora-bato azy !
      Jereo fotsiny amin’ny saina tsy miangatra ireo asa maro nosokafany ho an’ny Malagasy fa isika no tia tena sy tia kely ary tia be fa tsy mahay miasa sy mikely aina @herintsika fa ny manao ory hava-manana fôna !
      Mampahery antsika Malagasy hatrany ary manasa antsika hiray hina fôna !

    • 26 mars 2009 à 09:50 | dxdiag (#919) répond à ton ami

      ton ami a !
      ny Imprimantes ange tsy vitsy e ! Rehefa tsy mazava aminao dia anotanio Dadareo (RA8) izy angamba ataoko fa mety ho mora aminy ny hamaly izay nanaovany impression ireny vola sandoka ireny.

    • 26 mars 2009 à 09:56 | nofy (#668) répond à gasy261

      Mba lanjalanjao ny fomba fiteninao gasy261 an ! tsy mbola eo amin’ny toeranao ny nahazo azy ka toa be vava ianao, rehefa rahonan’ny olona amin’ny basy aman-tafondro ny varavaranao dia ho azonao hoe fa naninona izy no nitsoaka, ny tena lehilahy dia tsy mifampitahotra @ basy aman-tafondro fa mamela ny vahoaka hifidy,ny saina no ampiasaina fa tsy ny sandry, ary tsarovy fa tsy misy mahazo tombony amin’ny korontana, iza no nanomboka ? sur à 100% mihintsy ianao fa tena tsara ny nataon’i Rajoelina sy ny miaramilany, ny rariny sy ny ara-dalana no takiana, raha tena tia tanindrazana izy tsy atao farak’izay haingana ny fifidianana, efa hita izao fa tsy mety no natao, ny ambom-po sy fitiavan-tena fitiavan-tseza sy voninahitra no betsaka,ny vahoaka no atao fitaovana, nefa na ny vahoaka teo @ 13 mai aza tsy mba nomena fitenenana akory, mba hilaza izay heviny, izany no atao hoe dictature .

    • 26 mars 2009 à 10:10 | nofy (#668) répond à dxdiag

      O ry dxdiag an ! Hita amin’izao ny fomba fisainanao, ny hevitra hahasoa ny firenena katsahina fa tsy ny hanao izay hanafintohinana ny sasany.

    • 26 mars 2009 à 11:31 | ralita (#1612) répond à Tsaralaza

      E,e,e na inona na inona hataonareo Tim tsy miverina eo izany intsony Ra8,na tsy manohana an’i Tgv aza aho dia faly satria lasa Ra8.Ra8 dia lehilahy tia tena tsy mahita afa-tsy ny intérêts any,izao voaroka ny fitondrana vao hoe vahoaka Malagasy a,vahoaka Malagasy.Nividy ity avion efa ho 60 millions de dollars angaha nieritrerita ny vahoaka Malagasy ?ary ity fanaovana varo-boba ny tany ny Malagasy ?Ny ra Malagasy nalatsakao izay ve rangahy dia mbola tsy menatra ihany ianao miseho hoe tia ny vahoaka malagasy ?Tena mal placé Ra8 raha miseho mitsikera ireto miaramila nanala azy taminy fitondrana,izy ary naka mercenaires hanome baiko an’ireny Capsat ireny hoe vonoy ny gasy.Ary amin’izao tsy mionona aminy zavatra rehetra nangalariny teto fa mbola manakorontana fitondrana indray satria mbola te hangalatra be be kokoa.Nametra pialana izy ary nanome any miaramila ny fitondrana tokony fifidianana izany no hatrehany raha te hiverina eo aminy fitondrana izy.Mitaraina ingahy ra8 hoe coup d’Etat f’angaha tsy coup d’Etat koa ry ramose no nahatongavanao teo aminy fitondrana taminy 2002 ?mahatatesa ny valin-kitsaka e,ary raha vao miverina any tokony hadoboka ery tsiafahy fa lehilahy manala baraka tanindrazana ireny.

    • 26 mars 2009 à 13:17 | doda (#1402) répond à nofy

      Tsy hela loatra ve 24mois fifidianana vaovao ?
      Tsy aleo ve karakaraina haingana ny fifidianana afaka milatsaka na Ravalo na Zafy sns.... hita eo hoe:iza no tiambahoaka
      Fa ra samy hifanonganongana eo ny vahoaka ihany no potika
      Nasorina Ravalo fa mivangovango loatra ny fahefany olontokana.Izao sahady mbola tsy ampy 1volana no nitondrany Hat efa ny filohany Hat sy mpiray minisitra no manendry ny mpikambana
      Ka tsy teo ihany no teo ve ?

    • 26 mars 2009 à 20:23 | nofy (#668) répond à ralita

      Ralita an ! tsara ny mitsikera ny nataon’i Ravalomanana, nisy ny fitiavan-tenany, iza no tsy tia tena maika moa fa hoe misy ny moyen, nividy avion izy, diso tokoa izy,nanao location ny tany izy fa tsy varo-boba akory, ny coréene akory tsy afaka hibata ny tany nofainy hiala teto Madagasikara, ary afaka nanomezana asa ho an’ny Malagasy izany, maninona ny any France sy ny firenena hafa rehetra aza afaka mividy tany, trano,sns ao aminy na tsy frantsay aza dia inona ny maha ratsy azy, lasan’ny olona hafa firenena ve Françe zao ? isika Malagasy no mbola tery saina , ny ra Malagasy latsaka indray dia i Rajoelina no tena tompon’andraikitra voalohany, satria efa hainy fa zone rouge nefa mbola nalefany ihany ireo tsy manan-tsiny dia ry zareo tany afara no miaro ny ainy, matoa mbola betsaka ny Malagasy momba azy dia mbola mahatsapa sy mijery ny tsara nataony ho an’ny firenena fa tsy ny ratsy, fa ny nataon’i Rajoelina nety avokoa ? nanoatra noho ny nataon’i Ravalomanana aza ary izay lazain’ny vavany hafa, ny ataony hafa, manginy fotsiny ny démocratie sy constitution sur mésure, forcing,menace,tsy fanomezana ny zon’ny vahoaka sns...izy no tokony ho menatra satria izy nantenaina ny hanova zavatra indray no maika nanao izay ratsy rehetra teo imason’izao tontolo izao, nefa mbola tsy teo amin’ny fitondrana akory, ary ny miaramila capsat indray, izao tontolo izao samy nahita ny tsy famendrehana nataony, na ny samy Malagasy aza, inona no mba tsara nataon’i Rajoelina hatramin’izao ? ny firenena miha-mitotongana, ny Malagasy vao maika miha-mahantra .

  • 26 mars 2009 à 11:28 | ny marina (#1585)

    manao ahoana daholo !
    ka raha hiverina moa ravalo de hanao inona ? fa naninona anefa raha tsy nandeha fa niaritra teo ! izao manko de tena ho sarotra tokoa ny lalana e ! mirary soa e

  • 26 mars 2009 à 12:56 | haja (#750)

    Manimanina ny tongolon’ny Egypta :
    Amin’ny zavatra toy itony dia ny saina no mandinika fa tsy ny fo.
    - Toy ny tantaran’ny vahokan’israely tafavoaka tamin’ny fanandevozan’ny Egipsianina isika izao, ka mandalo ny tany efitra ; Inona no miseho Nikomy tamin’ny Moizy ny vahoaka ary nahatsiaro ny tongolon’ny Egipta ary te-hiverina tany Egypta.
    - Hadinony fa ny fiovana rehetra dia tsy maintsy mandalo fahasahiranana.
    - Tsy misy olana ho ahy na miverina eto mada i Ravalo fa ny hitondra indray hoatra ny manahirana ary tsy hisy izany.

    • 26 mars 2009 à 13:18 | Sisi (#193) répond à haja

      ha !Ha !Ha ! dia i Andry ve izany ilay Moizy ? mba olona hafa ahay ampitahana aminy fa tsy olo-marina toa an-dry Moizy. saddam hussein hoe na i Ben Laden. Ireny no tsara atao ohatra aminy.
      Ary izay ilay mahavoa ny TGVistes rehefa i Ra8 no lanim-bahoaka indray fa hiverina eo dia il faut accepter. Izay ilay safidim-bahoaka, izay ilay majorité, izay no Démocratie. fa tsy hoe izay tian’ny TGViste atao amin’ny tanàna ihany akory no atao. Ka hikonetaka rehefa miverina eo i « Dada ».

    • 26 mars 2009 à 19:55 | Gardash (#351) répond à haja

      Miarahaba an’ i Haja

      Niandry izay mba ho vaovao mikasika ny voalaza @article t@ 21 Marsa teo ny tenako fa dia tsy nahita ny fitohin’ ny tantara mikasika ny taombaovao MALAGASY. Faly ny tenako raha misy olona afaka milaza amiko « nahoana ilay izy » na koa milaza amiko ny site misy ahitana ny zavamiseho mikasika io fety io.
      Amiko ny Malagasy dia tokony tsy hanary ny fombany raha ohatra ka tsy mampididoza izany.Ny vahoaka @firenena misy ahy dia mankalaza ny taombaovao nanomboka t@ 21 Marsa hatramin’ ny Alahady ho avy izao.Ny fomba fankalazana azy aty dia manao AFO BE, izany hoe KITAY ary dia manao koa sakafo mamy, izany ny hoe PASKA @ kristianina

      Manoratra aminao aho Haja satria nijery ni anarana mifanaraka momba ny fety Malagasy aho t@ ity artikla ity, dia ny anaranao sy « gasy » no hitako mba mifanaraka. Saika hanoratra t@ « gasy » aho fa raha nahita ny nosoratanao mikasika ny Egiptianina dia noheveriko kokoa izany no mba ankaikikaiky kokoa. Mampamangy @ « gasy » ary miarahaba ny Malagasy rehetra TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY.

  • 26 mars 2009 à 18:19 | LalaBe, de la majorité silencieuse (#723)

    dia mbola ho teo @ fitondrana izy @zao ora iresahantsika izao.

    Saingy nandrora mitsilany izy, fa nampisambotra izay rehetra natahorany hanohitra azy, nanome tombon-tsoa t@ fomba maizimaizina na tsy ara-dalàna : firifiry moa ireo marchés publics noraofin’ny orinasany, na norobain’ny orinasan’ireo havany na namany, t@ ny fifaninanana tsy ara-drariny (concurrence déloyale) ! Nefa mazava tsara izay voasoratra ao @ lalàm-panorenana, artikla 43 : « Les fonctions au service des institutions de l’Etat ne peuvent constituer une source d’enrichissement ni un moyen de servir des intérêts privés. »

    Vokatr’izany, dia nihozongozona ny fitondrany, ary rehefa mihozongozona ny fitondrana, dia mitsangana ny mpanohitra notampenam-bava nandritra ny 7 taona, arahin’ny mpanararaotra isan-karazany, isan’izany ny mpirotaka, dia veloma hatreo ny faha-mari-pototra politika (stabilité politique) !

    Ka inona ary no azo hatao ?

    Efa tafalentika lalina dia lalina ny tanindrazana noho ity krizy ity, ary vao maika hampilentika azy lalindalina kokoa ny fitokonana tsy misy fetra (grève générale illimitée) mandra-pisian’ny fifidianana malalaka sy demokratika.

    Koa ndeha hararaotina ny valan-dresaky ny 2 sy 3 aprily hitakiana :

    1. ny fampihariana haingana ary marina ny Madagasikara Am-Perin’Asa (MAP, Plan d’Action Madagascar : raha manana tsaratsara kokoa noho io ireo mpanongam-panjakana, dia hantsiana hamoaka izay ananany !), « tanjon’ny fampandrosoana @ taona arivo fahatelo » ;

    2. fikarakarana fifidianana malalaka sy demokratika, haingana dia haingana.

    Fantatrao moa ny vinavinan’ny Firenena Mikambana mikasika ny isan’ny mponin’i Madagasikara @ taona 2050 (rahafaka 40 taona) ? 44,5 tapitrisa (ohatran’ny isan’ny mponin’i Afrika atsimo @ zao fotoana izao), ary ny fanantenam-pahavelomana (espérance de vie) dia 71,3 taona. Vahoaka marobe
    mila hahitana hohanina izany !

    • 26 mars 2009 à 19:06 | nofy (#668) répond à LalaBe, de la majorité silencieuse

      Lalabe ! fantatrao no ho atao ? izay lanin’ny be sy ny maro amin’ny hevitra sy fifidianana, misy ny tsy mankasitraka an’i Rajoelina, misy koa ny tsy mankasitraka an’i Ravalomanana, ( dia inona fa miandry ny mesia isika, izy ihany no tanteraka ) izay tonga lazaina misy fahadisoany avokoa, samy tompon’andraikitra avokoa isika @ mahazo ny firenen-tsika, nanantena ny nahita olona mendrika ny firenena isika nefa vao maika diso fanantenana koa,tsy misy intsony ny olona azo hitokisana,ny antsika Malagasy koa dia efa fahazaran-dratsy, izay mipetraka rehetra eo dia olondratsy avokoa, dia korontanina foana, noho izany hisy foana izao korontana izao satria ny olombelona tsirairay avy samy mety manao diso avokoa indrindra moa vao eo @ pouvoir sy ny vola, izay raolombelona ka fahadisoan’iza moa izany ? adama sy eva . Ny mampalahelo dia ny firenena no tsy mety tafarina fa vao miharina kely dia avy ny mpanankorontana, mino aho fa tsy voahozona isika malagasy, samia mifona amin’ny avo daholo ary koa mivavaha ho an’ity firenen-tsika ity.

    • 27 mars 2009 à 04:20 | jonas (#185) répond à nofy

      Ravalomanana filoha miaramiasa amin’ny opposition, izay no mahatafavoaka ny firenena.

      Raha Andry sy ny capsat no hitondra dia ankerisetra foana no zavatra hitranga ary tsy misy fampandrosoana.Mbola zaza loatra koa i Andry ka tsy manana fahamatorana

      Raha Ravalomanana sy ny tim fotsiny, mety manao fahadisoana satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra kokoa.

      Na izany na tsy izany anefa,tsy ara-dalana io fitondrana nalaina tamin’ny basy io ka mampikatso ny fiainam-pirenenana,tsy maintsy manaiky an-dRavalomanana hifandinika aminy izy ary farafaharatsiny manao fifidianana ka tsy maintsy kandida Ravalomanana raha tia firenena marina i Andry fa tsy hamerina an’i Mcar ho miankindoha(tsy mahaleotena) amin’ny frantsa .

      Raha tsy izany tsy ara-demokrasia misy foana ny korontana, ary tsy hanaiky anareo izahay manohana ny ara-dalana na hisy inona na hisy inona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS