Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h10
 

Malagasy

Hetsiky ny tanora ao Fianarantsoa

Nihemotra indray ireo mpitarika

samedi 21 juin 2008 | Naivo kely |  505 visites 

Mbola mamy ny miaina. any « Nifitsaka » ny mpanohitra. Taorian’ny fampidirana am-ponja mpanohitra miisa roa tao Fianarantsoa tamin’ity herinadro ity, dia tsy raikitra ilay hetsika ho fidinana andalam-be saika ho atao any amin’io faritra io.

Na dia hambara fa tsy fanonganam-panjakana aza ilay fidinana an-dalam-be saika ataon’ny tanora ao Fianarantsoa sy ny mpanohitra mialohan’ny datin’ny 26 Jiona ho avy izao, dia najanona tanteraka izy io. Ho fitakiana ny famoahana an’ingahy Pety Rakotoniaina no saika atao tamin’izany. Voalaza fa antony efatra no tsy mampitombina ny fampidirana an’ity farany any am-ponja ka isan’io no tsy fisian’ny fandriam-pahalemana intsony any Ikalamavony raha vao tsy any intsony i Pety. Ny sazy folo taona farany teo izay nosokajiana ho firaisana tsikombakomba tamin’ny Jeneraly Fidy. Hita fa tsy madio intsony i Fianarantsoa hoy ireto tanora ireto tamin’izany raha vao noesorina tamin’ny toerana i Pety fony izy ben’ny tanàna. Raha ny heno dia efa natsangana isam-pokontany ny matsilo, izay hetsika Politika avy eto andrenivohitra no nidina any an-toerana. Hatreto, dia hentitra ny mpitondra any Fianarantsoa amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny fahaleovantena izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}