Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 03h02
 

Malagasy

Tafika malagasy

Nifamaofao be ihany

mercredi 11 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Nifanesisesy ny fanambarana avy amin’ny Tafika omaly 10 marsa. Toa nifaninana mihitsy aza indrindra moa fa toa tsy fantatra intsony hoe iza no ministry ny Fiarovam-pirenena fa noteren’ny sasany hametra-pialana.

Nanao fanambarana ny teny amin’ny Etat Major Général de l’Armée Malagasy, eny Andohalo, ny talata faha 10 marsa 2009 maraina. Fanambarana izay natrehan’ny mpanao gazety. Nanotrona ny jeneraly Rasolomahandry Edmond, lehiben’ny Etamazaoro, ny Komandin’ny Zandarimaria-pirenena, ny Jeneraly Pily Gilbain sy ny jeneraly lehiben’ny Polisim-pirenena, Antonin Talbot. Nametraka fe-potoana ho an’ireo sivily rehetra isan-tokony izy ireo fa ao anatin’ny roa ambin’ny fitopolo ora dia tsy maintsy mamoaka vaha-olana amin’ity raharaha politika ity rizareo ireo.

Ny marainan’ny 10 marsa io ihany koa dia nanao fanambarana koa ny teny amin’ny CAPSAT Soanierana fa i “ colonel ” Ndrianarijaona André no “ Chef d’Etat Major de l’Armée Malagasy ” (CEMGAM) vaovao. Nanamarika moa izy fa tsy handray baiko avy amin’ny filoham-pirenena, filoha faratampon’ny foloalindahy, fa izy, Ndrianarijaona André irery ihany no hanome baiko. Nirary fiaraha-miasa amin’ireo Zandary sy Polisy izy.

Tao ahorian’ny fanambarana teny Andohalo sy teny Soanierana kosa, dia nisy indray teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, teny Ampahibe, ny fanerena nataon’ny miaramila tamin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena mba hametra-pialana. Nanomboka tamin’ny valo ora maraina ka hatramin’ny manodidina ny mitatao vovonana no nanery tamin’ny fomba rehetra ny ministry ny Fiarovam-pirenena ny manamboninahitra lefitra avy any amin’ny CAPSAT.

Nametra-pialana ihany noho izany ny amiral Mamy Ranaivonirina rehefa notevatevaina sy noteren’ny miaramila tamin’ny basy. Rehefa tafavoaka ny toby misy ny minisitera kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena dia nolaviny izany fametraham-pialany izany.

1 commentaire

Vos commentaires

  • 11 mars 2009 à 17:19 | bodida (#175)

    Ka ny zavatra toy izao mintsy anie no tena tadiavin’ny Archevek atao e ! zao no tiany sy ivavahany @ andriamaniny de aleo hitranga ko !
    la vengeance sera terrible !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS