Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 18h44
 

Teny zato, kabary arivo

Niaka-peo i Moxe

mercredi 21 novembre 2007 |  1282 visites  | Penjy R.

Hatezerana ny an’i Moxe Ramandimbilahitra raha nandre ny fihetsika mamoafady nataon’ny talem-paritry ny fampianarana tany Toliara izay tsy nanaja ny zon’olombelona. Tratry ny famindran-toerana tampoka ny kandida natolotry ny TEZA tany Sakaraha izay ny talem-paritry ny fampiaranana ao Toliary no nanao izany. Mpampianatra io kandida io, solontenan’ity antoko ity eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana tany amin’io faritra io ihany koa ary dia izao nahazo famindran-toerana tampoka izao. Tsara ny milaza fa samy mpampianatra ireto olona ireto. Manapoizina ny filoha Ravalomanana izao ataon’ity tompon’andraikitry ny fampianarana ity « DREN » izao, ary manitsakitsaka ny zo fototra maha-olona satria iza no tsy mahalala fa tsy azo atao ny mamindra olona ao anatin’ny taom-pianarana tahaka izao ? Raha ny voalaza dia nafindra any Antanimena Morombe ireto kandidan’i Teza ireto rehefa nanelingelina ny sasany tao Sakaraha. Niaka-peo i moxe Ramandimbilahitra izay mpanolotsaina Politikan’ny filoha Ravalomanana, ary filohan’ny teza, fa na mpanohitra na mpomba dia tsy tokony hatao tahaka izao, satria famotehana tanteraka ny filoha Ravalomanana izay miezaka mametraka ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra hananan’ny tsirairay no hitsakitsahin’ireo izay mba mahazo fahefana kely.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS