Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h20
 

Malagasy

Raharaha fandoroana ny oniversite

Naverina am-ponja i Ialy Rakotoniaina taorian’ny famotorana lalina

vendredi 27 juillet 2007 | Nivo T. A. |  242 visites 

Mbola tsy notsaraina i Ialy Rakotoniaina, vadin’ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Omaly izy no nentina tao amin’ny fampanoavana ary natao famotorana lalina. Mpianatra telo hafa voarohirohy tamin’ny raharaha fandoroana ny oniversiten’i Fianarantsoa no natao famotorana lalina niaraka tamin’i Ialy R. Mbola tsy fantatra aloha hatramin’izao izay fotoana hanaovana ny fitsarana ity raharaha ity. Taorian’ny famotorana nataon’ny mpitsara dia naverina any am-ponja i ialy R. sy ireo mpianatra telo.

Mikasika an’Ingahy Pety Rakotoniaina indray dia mbola mitohy ny fakàna am-bavany azy eny amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana. Ankoatra ny raharaha Jeneraly Fidy, izay nikotrika fanonganam-panjakana, amin’ny alalan’ny fanambarana ny fitsanganan’ny fitondrana miaramila, dia itanana ity ben’ny tanàna teo aloha ity ihany koa ny halatra fiaram-panjakana tamin’izy filohan’ny delegasiona manokan’ny faritanin’i Fianarantsoa.

Mbola tantara mitohy moa ny mikasika an’i Pety sy ny vadiny.