Tafapetraka ao Toliara ary efa manomboka miasa ny Gropy lehibe an’i JIRAMA mitondra herinaratra 5 Mégawatts izay toky nomen’ny minisitry ny Angovo, Patrick Ramiaramanana fa tsy miasa amin’ity volana ity izany fitaovana izany. Herinaratra 4,5 MGW no ilain’ny Toliara izay midika avy hatrany fa manana ambim-bava izany ny any an-toerana momba ity herinaratra ity. Olana ara-teknika no niseho tany ka tsy maintsy vaha-olana ara-teknika ihany koa no amahana izany. Tsy mbola misy kosa anefa ny Gropy fiandry raha sanatria misy fahasimbana tampoka ity fitaovana vaovao ity, ka io indray no ezahana hapetraka any Toliara ato ho ato.
Any Antsiranana koa
Ny fiandohan’ny volana Aogositra izao kosa no hanomboka hiasa ireo fitaovana maro any Antsiranana ka hatao veloma ihany koa ny delestazy nahaory ny vahoaka tany amin’iny faritra Avaratry ny nosy iny. Miantso ny mpiasan’ny JIRAMA ny minisitra mba hitandrina ireto fananam-pirenena ireto, ary toy izany koa ny vahoaka mba hifanome tànana ho fiarovana itony asa goavana itony.