Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 17h56
 

Malagasy

Fampielezan-kevitra

Nampiseho hery ny kandida TIM

mercredi 28 novembre 2007 |  422 visites  | Hery A., Penjy R.

Omaly maraina tontolo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rafalimanana, natolotry ny antoko TIM ho mpifaninana amin’ny fifidianana ben’ny tanana amin’ny faha 12 desambra ho avy izao. Vory lanona tetsy amin’ny tokotanin’ny « Auditorium » etsy Ankorondrano ireo mpanohana ity kandida ity nahitana fikambanana isankarazany eto an-drenivohitra. Nanotrona an’atoa Rafalimanana teto ireo birao maharitry ny antoko TIM tarihan’ny filohany atoa Yvan Randriasandratriniony, sy ireo mpikatroka TIM rehetra eto Antananarivo.

« Hery Rafalimanana irery no nahazo tsodrano tamin’ny filoha Ravalomanana » hoy ny filoha nasionalin’ny TIM, ka lainga ny filazan’ny kandida hafa fa nahazo izany tamin’ny filoham-pirenena.

« Ho tohizana ny zava-bita » hoy kosa ny kandida Rafalimanana ka mbola hitsarana azy amin’ny asa efa vitany. Anisan’ny asa lehibe ho raisin’ity kandida ity aorian’ny fahalaniany ny fanamboarana ny rova haingana, sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina eto an-drenivohitra, hiarahany amin’ireo kandida mpanolontsaina miisa 55.

Nitohy teny amin’ny kianja Malacam ny hetsika omaly tolakandro ihany.

=====================
- Henjehina fa nahavita asa

Isan’ny nisongadina nandritra ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Hery Rafalimanana ny filazana fa henjehin’ny mpifaninana aho ary tsikeraina mafy, « kanefa ny asa vitako no mbola higalabonan-dry zalahy ireo ». « Tsy vitako izaho samy irery , fa vitako, izaho sy ianao ity renivohitra ity, izay no hisokafako amin’ny hery tsara sitrapo rehetra amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ity renivohitra ity ». « Tohizo ny asa Rafaly », hoy ny ben’ny tanàna nodiambiasany Patrick Ramiaramanana, « satria ianao ihany no olona afaka handimby ireo asa natomboky ny filoha Ravalomanana fony izy ben’ny tanàna izay nametrahany ny fototra. Izaho kosa nametraka ny rindrina », hoy Ramiaramanana, « ary ianao no hanafo azy ». Ny ministra Ranjeva Marcel sy ny filohan’ny TIM ary ny talen’ ny fampielezan-kevitra dia tsy nihambahamba fa manana olona mahay mampiova tanàna ny TIM ka isan’io i Hery Rafalimanana.

Azo adika fa sarangan’olona maro be no nanotrona ity fanombohan’ny fampielezan-kevitra tetsy amin’ny Magro omaly maraina ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS