Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h10
 

Malagasy

Fenoarivo Atsimondrano

Mpangalatra kamio 6 no voasambotra

jeudi 2 avril 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Voasambotr’ireo Zandary ao amin’ny Brigade Fenoarivo, ireo olon-dratsy miisa 06 nangalatra kamio iray teny Fenoarivo ny alahady 29 marsa. Niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ny mpiambina ity fiara ity.

Efa tena maty paika avokoa ny tetika hamoahana ny fiara satria efa vita daholo ny taratasy sy ireo laharana vaovao saika apetaka aminy. Vola 2 tapitrisa Ar no nifanarahan’ny mpangalatra sy ny mpiambina, ary dia nisy mihitsy ny taratasy nataon’ny roa tonta amin’ny fandraisana io vola io.

Telo mirahalahy mpiray tampo no tompon’antoka tamin’izao halatra izao, miampy mpiambina mivady ary mpanelanelana roa. Saika efa tratra avokoa izy ireo ankehitriny, ankoatr’ireo mpanelanelana roa izay mbola karohina. Marihina fa nampiasa mini-bus ireo mpangalatra saingy nandositra ny mpamily rehefa raikitra ny fifanjevoana tamin’ireo zandary saika hisambotra azy. Voasambotra ihany moa ity mpamily ity.

Tratra niaraka tamin’ilay mpiambina ihany koa ireo ody gasy maro isan-karazany nolazainy fa fandemena ka mahatonga ny olona hanaiky izay lazainy.

Anio alakamisy 2 aprily no hatolotra ny fitsarana ny raharaha. Ny Zandarimariam-Pirenena dia manentana hatrany ny tsirairay hiara-hiasa, hampandre haingana azy ireo manoloana ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS