Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h50
 

Teny zato, kabary arivo

Mora manadino

samedi 20 octobre 2007 |  675 visites  | Naivo kely

Dia ho sanatria ve anaran-tsy very sisa ireo olona nitana andraikitra lehibe teto amin’ny firenena na teo amin’ny lafiny ara-toe-karena na sosialy, indrindra ny lafiny politika no zary hadinon’ny maro ny antson’izy ireny ? Iza no tsy nikolay fa miha-mafy andro aman’alina ny vidim-piainana, ary misy ny tsy fahaizana mitantana eto, ka nanaovan’izy ireo antso avo tamin’ny fiaraha-monina ny mba hiraisana hina hiara-mitady vahaolana, saingy toy ny rano araraka an-damosin-gana avokoa ireo ? Notaomina ny olona hanohitra ny voka-bato tamin’ireny fifidianana ireny, kanefa tsy nisy nanohina ny antson-dry zalahy sy zavavy. Ny politika napetrak’ireo teo aloha ve no tsy mifanaraka amin’ny fotom-pisainan’ny rehetra ankehitriny intsony, sa ny vahoaka no mora manadino ? Fanehoan-kevitra vitsy sisa no hita, ary izay avo vava dia voasoketa ho fahavalom-pirenena, ary izao tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenin’ny rehetra hoe tsy mijapy soavaly maty, ka nanariana ny foto-kevitra nijoroana hatramin’izay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS