Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Miverina ny ady politika

mardi 13 mai 2008 |  775 visites 

Notandindonin’ny sahotaka ny tontolon’ny fampandrosoana ara-politika ao amin’ny kaominina Antanifotsy, anatin’ny faritra Vakinankaratra tamin’ny herinandro lasa iny. Nahazo taratasy mahakasika ny fifidianana ben’ny tanana farany teo ny ben’ny tananan’Antanifotsy, Atoa Rabevason, ka nanaovany fanambarana tamin’ny radiom-paritra « Radio vary sy rano ». Ren’ny vahoakan’ny Vakinankaratra izany tamin’ny zoma, nandritra ny fotoananan’ny vaovao, ary naverimberina. « Aoka tsy ho taitra na hisahotaka isika vahoaka manoloana ny taratasy nalefan’ny tribonaly », hoy ny tenin’ny ben’ny tanàna.
Rehefa nanatona azy ny tenanay dia nambarany fa setrasetra politika nataon’ny mpifanandrina tamin’ny fifidianana ity zava-mitranga ity. « Na inon-kidona, na inon-kihatra dia tsy hanosihosy ny safidim-bahoaka izahay », hoy ihany ny ben’ny tanàna.

Variana miady indray an !

Araka ny nambaran’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanana anefa dia efa an-dalana ny fampandrosoana satria efa nankatoavin’ny kaominina rahavavy atsy La Possession, La Réunion ny tetik’asa fampandrosoana ho an’ny vahoaka, ka ahiana ho potiky ny hambom-po politika.

Azo antoka tokoa fa toa mitady ho tsabahan’ny antokon’ny fanjakana indray ny raharaha ka hiverina ny adilahy politika, tsy hahavitan-javatra. Dia variana amin’ny adilahy eo indray aloha, nefa ny fanarenana ny trosa navelan’ny teo aloha mbola tsy vita akory. Ny jiron’ny kaominina aza mbola tsy niverina hatramin’izao. Marihana fa avy amin’ny fikambanana ALDR, miaraka amin’i Manandafy Rakotonirina ity ben’ny tanana ity. Eo no mipetraka ny ahiahy satria ny teo aloha aza samy mitonona ho TIM, nefa dia niady noho ny tombon-
tsoan’ny tena irery.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS