Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Jeneraly Razakarimanana

Miverin-dàlana ny tolona

mardi 22 juillet 2008 | Naivo kely |  941 visites 

« Ady amin’ny fahantrana. Ventesina isan’andro, saingy tsy mety resy fa mahazo vahana amin’ny fiainam-bahoaka isan’andro. Vokatry ny andrankandrana isan’andro mihiratra ataon’ny mpitondra io ». Isan’ny nambaran’ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand tao amin’ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny alahady teo.

Isan’io ny nidirana tamin’ny MAP izay nasolo ny DSRP. Ny fanovana ny faritany mizaka tena, ka nivadihana tamin’ity rafitry ny faritra ity. Io mbola hiarahana mahita io ny vokatry ny zava-misy. Tsy nisy notohizana ireo asa natao teo aloha. Ny olona nomena fahefana ihany koa toa tsy sahy mandray andraikitra, satria mitoetra angaha ny tahotra ? Miditra indray amin’ny fanovan-drafitra eo amin’ny sehatry ny fampianarana isika. Sao mba atao sorona amin’io indray ny zaza malagasy ? Isan’ny mpikambana ao amin’ny « MATSILO » ity Jeneraly ity, ary mitaky ny hisian’ny fiaraha-midinika haingana. « Tsy vitan’ny mpitondra samy irery ny fampandrosoana. Mandinika ary manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka izahay MATSILO. Madray fanampahan-kevitra avy eo. Hita fa mandeha amin’ny tsy tokony ho izy intsony ny fiainam-pirenena. Hitety faritra izahay », hoy Razakarimanana. Ho hita eo ny fanapahan-kevitra farany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}