Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 23h06
 

Teny zato, kabary arivo

Mitrosa vao manangana

lundi 4 juin 2007 |  155 visites  | Naivo kely

Napetraky ny fitondrana fa ity dimy taona manaraka ity, dia natao hananganana ny rindrina sy ny tafo, rehefa nahavita fototra isika nandritra ny dimy taona voalohany. Napetraka ny lamin’asa isan-karazany mba hiatrehana izany, dia ilay MAP izany, izay heverina fa tetik’asa mandritra ny dimy taona. Raha io tetika io tokoa ka mifanome tanana amin’ny andraikitra ny rehetra dia hinoana fa ho afaka ny ampahany kely amin’ny fahantrana mianjady amin’ny Malagasy.

Ny zava-drehetra anefa tsy mandeha raha tsy ao ilay fandehany, dia ny vola izany. Ny hita sy tsy azo hiodivirana dia mipenipenina etsy sy eroa ny fanjakana mitady vola, na ny marina mitrosa mba entina hanaovana io lahasa goavana momba ny Madagasikara am-perin’asa io. Manomboka manampy ny firenena matanjaka sy ireo mpampitrosa vola mahazatra. Midina isaky ny distrika ny filankevitry ny Governemanta mijery ifotony ny olana isam-paritra. Ny mby tonga ao antsaina dia hoe angaha tsy efa fanatra ifotony ny olona isam-paritra nandritra ireny tetika namoriana vahoaka isam-paritra momba ny MAP ireny, no hijery ifotony olana hafa indray ny Governemanta ? Tsy efa ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ve no tokony ho hita raha hidina isaky ny distrika ihany ry zareo ? Raha tsy mitrosa ihany koa ve isika tsy afaka hanangana fotodrafitr’asa heverina fa mifanaraka amin’ilay MAP ? Ary raha tsy manome ny vahiny, moa ve tsy karazan’ny asa tsy azo tanterahana ihany ilay drafitra noheverina fa atao mandritra ny dimy taona manaraka ? Hatreto aloha dia mila rindrina sy tafo mijoro haingana ny vahoaka satria mangatsiaka sy matin’ny hanohanana, koa alao hery ary fa ny vahoaka anie atsoina andro sy alina dia tonga rehefa mazava ny asa ho atao tiana hampiharina eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS