Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 11h47
 

Malagasy

Tafatafa amin’i Raw

Mitovy fa tsy sahala

mardi 27 mai 2008 |  686 visites 

Ny matoan-dahatsoratra omaly « Omniscient » dia nampahatsiahy lahatsoratra iray nataon’ny mpandinika tamin’ny taona 1997, izay nivoaka tamin’ny 2004 tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro « Express de Madagascar ». Ny lohateniny dia « Mbola mety ho tafarina ve isika » : « O ry mpitondra ! » Mahaiza manetry tena ô....

Raha tsorina dia toa endrika sy tranga iray ihany no hitany tamin’izany fotoana izany, sy ny hitan’ny gazety « Express de Madagascar » tamin’ny taona 2004, volana septambra namoahany io lahatsoratra io an-gazety, ary ny zavatra tsapan’ny mpandinika ao amin’ny « Madagascar Tribune » ankehitriny.

Hoy ny mpandinika sady masoivohompirenena malagasy teo aloha, hoe :

- Raha vao tafakatra eo amin’ny fitondrana ny mpanao politika « gasy » dia tsy manam-panetre -tena intsony fa dia izy no miseho ho mahay sy be saina indrindra eto amin’ny firenena. Hitsabahany daholo izao sampana rehetra izao, ary matetika ary izy no manome lesona ny manam-pahaizana manokana,

- Satria izy no mahay sy be saina indrindra dia tsy miady hevitra intsony, tsy mihaino toro-hevitra fa izay ao an-tsainy ihany no tsy maintsy tanterahana na hampitondra faisana ny vahoaka aza ny redirediny. Tsy mahatsiaro-tena akory ary izy fa matetika sahy manome lesona an’ireo filoham-pirenena mitovy aminy (hitantsika izany na tamin’ny andron’i Tsiranana ary raha mamaky ilay boky nosoratan’i Edouard Chapuis : « Prison pour un expert »).

- Ny teny avoakan’ny vavany dia manan-kery noho ny Baiboly.

- Izy irery ny treman’ny firenena. Tsy nandimby olona izy, ary tsy hanana mpandimby mihitsy. Noho izany dia tsy tiany ho fantatra ny atao hoe tantaram - pirenena fa nanomboka teo aminy ny Tantara.

- Tsy zakan’ny sainy mihitsy izany hoe hisy hisolo azy izany...
Raha fintinina hoy ity mpandinika dia tsy mahatoky ny vahoaka ny mpitondra malagasy ary raha mimenomeno ny olona fa leon’ny tery vay manta dia atao valy boraingona hoe : « Tsy mila an’izany demokrasia izany ny tany mahantra ». Dia faranany toa izao moa ny lahatsorany : « Ary ho an’ireo milaza azy ho olona ambony sy manan-kaja miseho ho be saina noho ny rehetra dia ity misy teny fohy atsipy, notsongaina tao amin’ilay boky mafonja sy lalina nosoratan’ i Montaigne (1553 - 1592) : « Na avo toy ny inona ary ny sezam-piandriananao dia tsarovy fa ny fitombenanao ihany no ipetrahanao eo » (« Les Essais » izay adika amin’ny teny malalaka hoe « dinidinika » na « tapatapak’ahitra » , boky faha III, laharana XIII).
Lahatsoratra vokatry ny fandinihana sy fijery ny tontolo manodidina moa ilay « Omniscient » ka samy manana ny fandraisany azy.

Na izany na tsy izany dia re ombieny ombieny ny fimenomenoman’ny mpanao politika fa miha-jadona ny fitondrana ary mampieritreritra lalina. Toa lasa saina hatramin’ny vahiny monina na mandalo eto aza ka mahatonga azy ireo hametra-panontaniana matetika sy hanadihady amin’ny mpanao gazety. Asa tsapan’izy ireo ve ny fahasamihafan’ny resaka sy ny zavatra hitany any amin’ny sehatra « ofisialy » sy ny zavatra tsapany na hitany ivelan’ny seha-panjakana ka mba te-hanadihady sy hiaino feon-dakolosy hafa koa izy ireny ?

raw.tribune@gmail.com

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}