Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 12 mai 2024
Antananarivo | 05h05
 

Teny zato, kabary arivo

Mitomandavana

lundi 1er septembre 2008 |  1042 visites  | Naivo kely

Feno mpanao politika sy mpanongam-panjakana indray ny fonja iny herinandro iny. Tsy hiverenana lava eto ny momba ireo manamboninahitra toa an-dry Bôlô sy ry Henri Lecacheur.

Fanohintohinana ny filaminam-bahoaka anatiny sy fikasana hanongam-panjakana no vesatra hiampangana ireo olona ireo. Nahatratra ampolony ireo tafiditra etsy Tsiafahy sy Antanimora iny herinandro iny.
Ady hevitra maro no mipetraka manoloana izany, satria maro no milaza fa raharaha tadiavina ny azy ireo. Tsy vitsy ihany koa anefa no manambara, fa izany ve no hambara ho tany mandala ny demokrasia ? Toa mampahatsiahy ilay tenin’ny mpitondra fanjakana ambony, volana maro lasa izay, milaza fa « ataovy ary tandremo sao mitomany », ity raharaha ity. Izay miana-kendry, dia ny fonja no saziny. Hampihemotra ny mpanohitra ve anefa ny tahaka izao ? Endrika iray toa mitory ny tsy fisian’ny ady hevitra malalaka eto ity fampidirana am-ponja lava ity. Nefa fepetra hentitra hitandrovana ny filamim-bahoaka ny toy izao ho hanatry ny hafa hoy kosa ny tsy tia gidragidra. Mitazana izao tranga rehetra izao ny vahoaka Malagasy, ary manara-maso koa ny firenena any ivelany, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka. Hatreto aloha, dia mitoman-davana ny fampidirana am-ponja ireo olona nanana ny lazany teo aloha, izay zary sakaizan’ny fonja ankehitriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS