Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h18
 

Malagasy

Zandarimaria

Mitohy ny fiofanana

samedi 21 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

Hiditra ny 22 marsa 2009 izao ny andiany faha-15 amin’ny “CSC” (Cours supérieur de commandement) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay ahitana manamboninahitra ambony teratany malagasy 12 mirahalahy, ary hanampy azy ireo ny teratany “togolais” efatra mirahalahy, izay ho avy tsy ho ela. Hiditra torak’izany koa ny andiany faha-17 amin’ny mpiofana ho komandin’ny tobim-paritry ny zandarmaria (17ème CPCB : Cours de perfectionnement des commandants de Brigade) miisa 35 mirahalahy.

Ankoatr’ireo dia hiditra tsy ho ela ny mpiofana misahana ny fikojakojana ny fiarakodia eo anivon’ny zandarmaria ary handray tsy ho ela ny ampahany amin’ireo mpianatra ho zandary andiany 2008-2009 ny sekoly.

Manoloana ny toe-javatra izay nolalovan’ny firenena izay nanamafisan’ny Zandarimariam-pirenena ny andraikiny ho fiarovana ny ain’olona sy ny fananany, dia mitohy hatrany ihany ny fampianarana sy ny fanofanana eo anivon’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) izay ahitana ireo sokajim-piofanana maro.

Tsy miova ny fandaharam-potoana sy ny vanim-potoana izay efa voafaritra mialoha hanatanterahina izany ary ahitana mpiofana maro. Mpiofana 28 mirahalahy, ahitana teratany malagasy 24 sy “togolais” 04, izay manaraka ny fiofanana “35ème CAO” (Cours d’Application des officiers), dia efa niantomboka ny volana septambra 2008. Mpianatra ho zandary prinsipaly andiany faha-50 miisa 125 mirahalahy kosa no mandrato fahalalàna nanomboka ny 15 febroary 2009.

2 commentaires

Vos commentaires

  • 21 mars 2009 à 16:23 | tanetilava (#1447)

    Ry namana,
    Eo anatrehan’ny zavatra niseho teto amin’ny firenena sy ny toerana raisin’ny foloalindahy dia mansy izao teny kely izao ny tenanay.
    - Tsapa fa toa mihalangalana hatrany ny foloalindahy manoloana ny toe-javamisy sy mitranga eto amin’ny firenena ;
    - mbola eo hatrany ny fitiavam-bola sy fitadiavantseza na te hisondrotra grady malaky fa tsy mipetraka amin’ny maha tsy momba ny atsy sy ny aroa fa mitady hanao "exploit foana de te hamiratra na hamafa ny tsy nety natao tany aloha.

    Mbola ialaina foana ve ny manao fanofanana izay ho hita sy tsapa fa ho lany andro satria tsy maritoerana ny foloafindahy ?
    Ilaina ve ny fanovana toe-tsaina amin’ny fanatanterahana ny baiko ka ho tokana ny mpibaiko toavina ?
    Misy anefa ireo zoky izay lomorina sy miankina loatra amin’ny politika fa tsy mipetraka amin’ny maha neutre azy.
    Ny mpanao politika dia misintona amin’ny alalan’ny vola fa ao no itovozana ny hery.Anefa tokony hahay hametraka sy hanaja ny fitsipika ara miaramila fa tsy hanome rarny lava izay olona nametraka anao fa mba hijery ireo olona tsy taiza fa tao andakazera izay nitandro y tsy fombana ny atsy sy aroa.
    Misaotra

  • 22 mars 2009 à 13:33 | barykely (#392)

    Eny tompoko,ilaina ny fiofanana,fa eo anivon’ny zandary dia apetrako ny fanontaniana hoe avy aiza ireto mpiofana ?
    Tsy ho isan’ireo ho afa-hanaraka stage Ianao raha tsy.....
    Na tsy mendrika aza ara-pahalalana dia
    rehefa atolotry ny lehibe dia lasa.
    Rehefa roa taona nitondrana galona an’izao ianao dia « proposable » hanao
    stage raha atolotry ny lehibe,ary rehefa tsy misy mpanolotra dia ilaylazain-dry zalahy hoe maty @Ier temps.
    Mila fahalalana olona ambony hi-piston-ne ao fa raha tsy izany dia eo ianao.
    Ny zava-dehibe dia rehefa manao stage dia izay.KOa na gisitra aza ianao ao amin’io stage io dia afaka foana no anarany.Azonao foana ny galona G.P.2
    sy ny hafa koa.... ;
    KOa amiko raha mendrika ianao dia hankato ny baikonao aho.Fa misy ao tsy
    manana ny ampaharivon’ny fahaizako nefa
    mibaiko.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS