Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 17 juillet 2025
Antananarivo | 20h20
 

Malagasy

Fikambanana Manaovasoa

Mitaky ny hikambanan’ny AKFM roa tonta

samedi 29 novembre 2008 | Naivo kely |  577 visites 
  • mail
  • linkedin

Antoko matanjaka ny AKFM, saingy noho ny fiparitahany tany amin’ny taona 1989 dia nanomboka samy naka ho azy ny mpikambana tsirairay. Dia io hiarahana mahita io ny lalana nizoran’ireo kamarady rehetra hoy ny dokotera Manan’Ignace.

Ny fitambaran’io antoko Akfm roa tonta io no lalana iray ahatafavoaka ny firenena hoy izy. Manana olona manam-pahaizana maro ity antoko ity, ary manana ny lazany eto Antananarivo ; eny hatrany amin’ny faritany teo aloha, toa an’Antseranana, Toamasina. Midika izany fa rehefa hikambana izy ireo, dia hanamafy ity antoko ity avokoa ireo mpikambana nisitaka.