Mbola maro ireo orinasa sy indostria madinika no manana olana eo amin’ny fanondranana ny vokatra vokariny mankany ivelany. Na eo amin’ny resaka fikarakarana ny taratasy rehetra ilaina izany, na ny fitehirizana ny entana mandra-pivoakany any amin’ny fadin-tseranana, indrindra fa amin’ny fitadiavana mpiara-miasa amin’ny fampiasana ny containers.
Manana vokatra tsara sy ankafizin’ny any ivelany anefa i Madagasikara, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny asa –tanana malagasy. Na dia misedra ny krizy ara-bola aza ny firenena maro maneran-tany, dia azo atao tsara ny miatrika izany amin’ny alàlan’ny fanondranana entana.
Fanampian’ny orinasa « Rogers IDS »
Misy ny orinasa manohana manokana ireo te hanondrana na mpanondrana vokatra any ivelany. Manomboka amin’ny fanoroana ireo mpanondrana ny zavatra rehetra tokony hataony izany, hatramin’ny famoahana ny entana, sy fampidirana azy ireo eo amin’ny sehatry ny varotra. Hanao tolotra mandritra ny iray volana ny orinasa Rogers IDS, ho an’ireo mpanondrana entana ao Maorisy. Araka ny maha-tolotra azy, dia hihena hatramin’ny 25% ny sarany rehetra tokony haloa amin’ny fanondranana. Maimaim-poana ny fitehirizana ny entana sy ny haban-tseranana. Izy ireo ihany koa no mitady izay olona hiara-hameno ny containers. Etsy andaniny, ho maimaim-poana ihany koa ny fandalovan’ny entana ao amin’ny birao fanaraha-maso ny entana, na ny BSC (bureau de suivi de cargaison). Raha toa ka Ar 2 9000 any ho any ny saran’izany, dia tsy handoa io vola io ny mpanondrana vokatra mandritra io iray volana io. Hanomboka ny 1 novambra ho avy izao ny tolotra. Hiitatra amin’ny firenena maro izany atsy ho atsy. Marihana fa miisa 30 ny masoivohon’ity orinasa ity maneran-tany. Izao no atao, dia maba ho famporisihana sy fanohanana ny mpanondrana Malagasy, hiditra amin’ny sehatra iraisam-pirenena.