Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h21
 

Teny zato, kabary arivo

Misesika ihany

mardi 9 octobre 2007 |  607 visites  | Naivo kely

Dia io nipoitra io indray ny daty hanaovana ny latsa-bato ho an’ireo te-handrobaka ny toeran’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina. Na mbola tsy nivoaka amin’ny fomba ofisialy aza ny vokatry ny latsa-bato natao farany teo, dia ny raharaham-pirenena tsy miandry ela. Naneho ny heviny ny fanjakana momba ny daty, ary tsy voaresaka firy ireo fitarainana nataon’ny maro ny tokony hijerena ifotony ny maha-vitsy ny olona mpifidy, indrindra ny momba ny lalàm-pifidianana. Io lalàm-pifidianana io no mampalaina ny rehetra satria toa mifono fitaka ho an’ny mpandray anjara io, ka mampahazo vahana ny antoko eo amin’ny fitondrana. Tsy ny FFKM ihany no nitaky izany, fa ny hery rehetra, saingy toa hinian’ny eo amin’ny fanjakana tsy hita ireo fitarainana sy soso-kevitra ireo. Mety aminy io matoa ataony, koa aoka tsy hitaraina fa aza mandray anjara raha tsy sahy amin’ny lalàna efa misy, ary na ratsy aza ny lalàna efa nipetraka dia io misesika ihany io ny fifidianana izay toa midika fa tsy misy fotony ny fitakiana. Hadalan’izay hanova ny fanovozan-tsoa eo ampelatanany koa, fa mahaiza mandresy lahatra ny vahoaka hifidy anao, dia ataovy amin’ny fomba maha-mety azy ny lalàna rehefa tojo izay niriana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS