Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h56
 

Teny zato, kabary arivo

Misaotra fa tonga lafatra

mercredi 22 août 2007 |  153 visites 

Tao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny rehetra no nanomboka ny lalaon’ny nosy, izay heverina fa samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay. Vita iny lalao, saingy mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny olona manana ny fahafahana te-hanao izany. Firy amin’ny vahoaka malagasy tokoa no mba manana segaondra iray hialan-tsadatra amin’izao vanim-potoana mahamay izao ? Ny hatsembohan’ny tena no hinanana, ary tsy hisy olona hamoky fotsiny anao eo raha tsy misy ny asa atao. Baiko filamatra ataon’ny filohan’ny nosy ny hoe miasa, miasa tsara, ary miasa mafy. Moa ve mifanaraka amin’io ny valin-kasasaran’ny mpiasa tena miasa ?

Samia kosa mifaly amin’ny tambin’ny fialan-tsasatra amin’izao fotoana izao, noho ireo fialam-boly miseho etsy sy eroa eto andrenivohitra, miampy ireo any amin’ny faritany, izay hita fa nahazo ny fialam-boliny ny rehetra. Rehefa misy ny asa vita dia aza gaga raha maro amin’ny ministra eto amintsika no mba omena ny fialan-tsasatra mankany ivelany izay fanao isan-taona, ho valin-kasasarany amin’ny asa vitany. « Misaotra fa tonga lafatra ny fiainanay » hoy ireo mpitazana, satria ny vakansy mba alehanay dia zara raha mahita an’Ambohijatovo sy ireo faritra nasiam-panamboarana toy ny etsy Ankorondrano sy Analakely, izay heverina fa mitovy amin’ny any ivelany, ka na ireo vahiny nilalao taty aza hono nilaza fa nahitany tsy fahita. Ny madinika eto fa ny vaventy mankany ivelany ô ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS