Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h02
 

Tsakotsako

Mihetsika ny mpanohitra

vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R.

Rahampitso no hikaondoha etsy amin’ny foiben’ny AKFM Andravoahangy ambony ny mpanohitra rehetra. Manoloana ny firosoan’ny fanjakana hanao ilay fivoriana miaraka amin’ny antoko rehetra afaka andro vitsivitsy no anton’io.
Antoko manodidina ny 20 no handray anjara amin’izany. Voalaza fa manana ny fijeriny momba ity fivoriana ity ny antoko ivelan’ny fanjakana sy ny fiarahamonimpirenena. Na ny CONECS, na ny SEFAFI, na ny FFKM na ny KMF/CNOE dia nana-kambara foana raha ny fiainana ara-politika sy toekarena teto amintsika.

Noho ireo antony ireo no tokony handraisan’ny FFKM sy ny KMF/CNOE anjara. Ny Sefafi ihany koa hoy ny hafa dia manana anjara toerana lehibe. Io rahampitso io no ahitantsika izay hevitra avoakan’ny mpanohitra, fa ny azo antoka dia hitovy fomba fijery izy rehetra, raha tsy hoe misy indray ny volo manohariana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS