Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h17
 

Teny zato, kabary arivo

Miha-ratsy ny rivotra

samedi 12 avril 2008 |  863 visites  | Naivo kely

Miha-maizina ny lanitra eo amin’ny sehatry ny politika eto Madagasikara. Maha-tsinjo izany ny mpitondra fanjakana, ary miditra eo amin’ny fisakanana ny afo tsy hidodaka.

Mahatsapa ny rehetra fa pitik’afo dia hampipoaka ny vaja. Tsy azo tsinotsiniavina ny fitarihan’ingahy Henri Lecacheur vahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey roa andro izay. Matoa nosakanana, dia atahorana izay, na dia eo amin’ny sehatry ny fandriam-pahalemana fotsiny aza.

Misy hifandraisany amin’ny fanakanana an’i Rossy tsy hiditra eto ve izao raharaha izao. Eny no dikany, satria tsy azo lavina fa mpanao politika ity mpanan-kanto ity, ary manana ny vahoaka mpankafy azy.

Ny fandrenesana ireo manamboninahitra maro alaina ambavany izay voakilasy ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanonganam-panjakana tsy afenina. Miha-ratsy ny rivotra politika eto Madagasikara. Ny vahiny any ivelany manaraka akaiky ny raharaha. Tsy ho gaga isika raha hiemotra ny ankamaroan’izy ireo amin’ny fampiasany ny volany eto amintsika. Hamono antoka amin’ny tany mikorotan-dava ve izy. Hatreto dia tsy misy ny fifampidinihana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra. Ny nahazo seza ve hifampizara amin’ireo mpanao politika efa very fahefana. Ny vahoaka kosa etsy ankilany, dia tsy te-ho lany andro amin’ny korontana politika, satria ny vidim-piainana efa mianjady aminy isan-tsegaondra aza efa tsy zakany. Hanao ahoana ny ho avin’ity firenena ity manoloana ny sagodim-panina politika ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS