Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 12h26
 

Teny zato, kabary arivo

Mibaribary ny fahantrana

samedi 23 février 2008 | Naivo kely |  688 visites 

Soa fa nisy ny rivo-doza. Io no mba vetsoventson’ny mponina izay notolorana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny alakamisy teo. Tsy ny rano miakatra na ny fananana potika no mahafaly ny sasany, fa ilay vary sy vola kely azon’izy ireo. Vary sy vola isan-tokantrano no zaraina, ary eo ihany koa ny savony sy ny fanafody.

Tokantrano maromaro no dibo-kafaliana nandray izany. Tsy nisalasala izy ireo niteny imasom-bahoaka fa mba hihinam-bary indray. Rehefa nozohiana io teny io, dia tsapa fa efa ho tapa-bolana no tsy nihinan-kanina, fa mangahazo kely hatrany no mba nohanin’ny ankohonana. Raha nisy vary aza dia tapaky ny kapoaka natao sosoa be rano.

Mibaribary ny fahantrana eo amin’ny ankamaroan’ny Malagasy. Iza ny olombelona faly rehefa tratry ny rivo-doza ? Ny gasy sahirana no faly amin’io satria sady mahazo vary sy fanafody, no misy fikambanana manome fitafiana ho azy ireo. Mba azontsika an-tsaina ve ny fiainan’izy ireo rehefa maina ny andro, ny mety ho fivelomany, satria tsy hisy tolotolotra tsy mahavita firy ? Samia mieritreritra.