Tena hanomboka ny asa miainga any ifotony. Ny ben’ny tanàna eto an-drenivohitra, Andry Rajoelina omaly, dia tsy nihambahamba nilaza fa hankatoaviny ny tenin’ny filoha Ravalomanana milaza hoe : « miasa miaraka no fahombiazana ». Isan’ny nomeny lanja tamin’izany fiarahana miasa izany ny fanampian’ny filoha Ravalomanana ny kaominina eto an-drenivohitra hanarina ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely.
Tsy hisy intsony ny sakana amin’ny asa atao isaky ny tanàna, satria ny torohevitra efa nomena teny Iavoloha izay nanomboka omaly ary hifarana anio. Ny ben’ny tanàna rehetra lany amin’ny 15 400 manerana ny nosy koa tsy hisy ho sahy hitsivalam-pandry amin’ny tetika aroson’ny fitondrana, sao hianjahanja samy irery eo. Tsy hipetraka intsony ny hoe « zanak’i dada » fa Malagasy iray isika, ka ny fandresena ny fahantrana no tanjona. Hiainga any amin’ny sefom-pokontany, hipaka hatrany amin’ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny faritra ny raharaha, ary tsy ho afa-bela ihany koa ny Governemanta raha sanatria misy tsy fahombiazana. Feno ny fahefana, ary efa miara-miasa avokoa ny rehetra izay tsy misy fanavahana loko politika intsony. Ny mpanohitra io efa iarahana mahita io fa mangina tanteraka na dia misy fanehoan-kevitra tsy indraindray ihany aza. Ny asa vita izany no hifampitsarana manomboka eto, ary tsy hisy faritra ho tratra aoriana intsony. Sa ahoana ?