Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 10h22
 

Malagasy

TGV Antsirabe

« Miandry Top, dia … »

mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely |  1814 visites 

« Na dia mbola any an-dRenivohitra ihany aza no misy ny fikambanana TGV, dia efa vonona ny anay eto Antsirabe ». Io no nambaran’i Haja Elima, satria efa saika niditra ho isan’ny TGV avokoa ny mpikatroka amin’ny antoko sy fikambanana maro ao amin’ity faritra ity.

Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao filazan’ny filoha mpanorina ny fikambanana ny hanaparitahana ny TGV any amin’ny faritra, saingy efa mangetaheta izany ny maro. Misy ny fivoriana matetika ao an-drenivohitry Vakinankaratra ao, ary mifantoka tanteraka amin’ny hetika eto Antananarivo ny mason’izy ireo. Voalaza fa misy ihany koa ny hetsika sosialy maro samy hafa efa natao, mba hanampiana ny tanora, nataon’ingahy Haja Elima, mba ho fanampiana azy ireny. Ity mpanetsiketsika ny TGV ao Antsirabe ity, dia tsy zoviana amin’ny maro, satria nanana andraikitra lehibe tamin’ny sehatry ny fifidianana tao Vakinankaratra. « Miandry Top izahay dia… », hoy ingahy Haja.