Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Malagasy

Voka-pifidianana

Miala any ny valifaty !

lundi 17 décembre 2007 | Manou

Saika raikitra ny rombo tao Andranomanelatra Antsirabe II ny sabotsy teo nohon’ny valifaty an-kolaka nataon’ny ben’ny tanàna tamin’ireo tsy nahazoany vato. Nosakanan’io ben’ny tanàna vao lany io ny asa vao atomboka hanorenana ny tranom-pokontany manara-penitra nampanantenain’ny Filoham-pirenena tao an-toerana, izay tapaka fa hapetraka ao amin’ny fokontany Bemololo satria kely ny ampaham-bato azony tao ! Any Antanetibe-Antohalava no hamindrana azy, hoy izy, ho fankasitrahana ny fokontany ao tamin’ny fandaniana azy. Naharomotra an-dry zareo tao Bemololo izao fihetsika fanilihana sahady izao satria io ben’ny tanàna vao lany io ihany no ben’ny tanàna teo tamin’ny nanapahana ny hametrahana ny biraom-pokontany tao Bemololo nefa dia izao ivadihany izao, hamaliana faty ny tsy fombana azy.

Soa ihany fa tsy voasakany ny fizotry ny asa satria efa tao Andranomanelatra, nanomboka ny asa ny orinasa nalefan’ny Filoham-pirenena hanangana ny trano.

Rangitra ny eto an-drenivohitra.

Misy endrika fifanilihan’ny samy vahoaka sahady ihany koa eto an-drenivohitra, vokatr’iny valim-pifidianana iny ! Mandrahona hamaly faty an’ireo fantany ho nirotsaka tamin’ny fanohanana ny kandida Andry Tgv, ohatra, ny tompon’andraikitra sasantsasany ao amin’ny fokontany Antohomadinika IIIG Hangar ao. Sahin’ireo olona ireo mihitsy aza ny manaraby izay tsy nitovy safidy taminy, ilazany fa tsy tokony hampiasa ny toeram-panasan-dambam-pokonolona na handefa ny zanany hianatra amin’ny Epp ao an-tanàna satria, hono, tsy nataon’ny Andry Tgv ireny fa nataon’ny Tim izay tsy nofidiny...

Mbola tsy haintsika Malagasy marina ity politika ity !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS