Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 18h28
 

Teny zato, kabary arivo

Metropolis, asa miampita

mardi 18 septembre 2007 |  196 visites  | Naivo kely

Nisokatra omaly teto an-drenivohitra ny Metropolis, izay handraisan’ireo firenena mahatratra 90 anjara ka misy mponina mihoatra ny 1tapitrisa ao amin’ilay tanàna. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara izao fivoriana izao, satria hisy tetika azo hiaraha-miasa amin’ireo firenena vahiny ho mpiray ombon’antoka amin’ity renivohitra ity. Ny taona 2005 no nahazo ny amboaran’ity Metropolis ity ny tanànan’Antananarivo ka tany Berlin no nanolorana fony ben’ny tanàna ingahy Patrick Ramiaramanana. Mitohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny renivohitra izay niainga tany amin’ny ben’ny tanàna Ravalomanana Marc raha ben’ny tanàna teto izy tamin’izany, ary nitohy tamin’ingahy Ramiaramanana, ka io dimbiasan’ny PDS Hery Rafalimanana io. Nahafinaritra ny maro ny ezaka vitan’izy telo mirahalahy mianaka ireo, ary azo adika fa ity Metropolis ity, dia asa miampita ho amin’ny fampandrosoana. Raha maha-te-honina tahaka izao ny renivohitra eto Madagasikara, mba rahoviana kosa ny any amin’ny faritany ? Izay angamba no maha-tsara ireo mpiray antoko mifandimby mitantana tanàna, satria izao hita izao no ohatra tsara azo raisina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS