Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h02
 

Teny zato, kabary arivo

Medaly ao anatin’ny alahelo

samedi 11 août 2007 |  129 visites  | Naivo kely

Mitohy ny fandrombahana medaly amin’ny Lalaon’ny nosy ataon’ny Malagasy omaly nandritra ny andro voalohany, kanefa tsy hijanona eo ny tanjona fa tsy maintsy miandrandra maro mba ho voalohany fa tsy ho farany eo amin’ity sehatra ity. Ezaka lehibe no vitan’ny tanora malagasy manome lanja ny vononahim-pirenena, ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa ny zava-bita. Andro faharoa nanombohan’ny fifaninanana anio, mbola heno ihany ny sahoan-dresaka maro momba ny olana eo amin’ny lafiny ara-teknika ny trano manontolo, miainga any amin’ny fatoriana miampy ny trano fivoahana izay maloto, sy ny trano fidiovana tsy misy rano mafana. Ny hatsiaka amin’ny alina tsy lazaina intsony. Nifindra lasy ny ankamaroan’ireo atleta vahiny ireo, ka nanofa hotely hafa, ary na isika avy eto an-toerana aza anie niala ny lasy. Mitàna ny laharana voalohany aloha isika hatreto raha ny resaka medaly no asian-teny, saingy aoka tsy ho medaly ao anatin’ny alahelo no lazaina fa nampandresy antsika. Mety hisy ny feo hilaza fa tsy tomombana ny fandraisana rehetra ka niteraka havizanana teo amin’ny vahiny, ka izay no naharesy ny ny mpihavy manafika eto. Koa tsy azo sorohina ve ny toy izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS