Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h32
 

Malagasy

Mpitsabo nentim-paharazana

Mbola tsy lefy laza

vendredi 23 mai 2008 | Manou

Miantso vonjy amin’izao fotoana izao ny mpitsabo nentim-paharazana matianina nohon’ny fanapotehana iniana atao amin’ny asan’izy ireo.

Fahaizana madio tsy misy atahorana tahaky ny fahaizana ara-tsiansa rehetra ity karazam-pitsaboana ity, araky ny fanazavan’ireo mpiangaly azy. Tafiditry ny tetika ara-panjanahan-tsaina novolena tamin’ny malagasy anefa ny sehatra, araky ny fanazavan-dRamamonjisoa Maurice, mpitsabo ao amin’ny Toby Lovasoa ao Ankadilalampotsy-Ankaraobato, eny Antananarivo-Atsimondrano ka voaloto ary tsinontsinoavina ankehitriny.
« Rahonana ho mpanompo sampy avokoa izay rehetra manatona mpitsabo nentim-paharazana, hoy izy, nefa mpitsabo mitovy amin’ireo mpitsabo maoderina ihany ireto sokajy ireto saingy tsaratsara kokoa ny azy satria mampiasa fanafody tsy voahodina fa voajanahary ka tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy ».

Manaratsy endrika ny mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika koa ny afitsoky ny mpisoloky isan-karazany, mahafay ny mpanjifa ary mitarika ny tsy fanatonany ireto karazam-pitsaboana ireto.

Ara-dalàna

Torohevitra omen’ireo mpitsabo nentim-paharazana matianina ny mpanjifa ary izao ny fitakiana ny karatra maha-mpikambana ao anatin’ny Association Nationale des Tradipraticiens de Madagascar an’izay mpitsabo vonjeny, hialàna amin’ny fitaka.

Ara-dalàna eo anatrehan’ny fanjakana rahateo ny mpitsabo nentim-paharazana matianina, araky ny fanazavan’ny mpitantana ny Toby Lovasoa ihany. Mandoa hetra arak’asa ary manana kara-panondroana izy ireo sady miara-miasa amin’ny mpitsabo amin’ny tobim-pahasalamana amin’ny toerana misy azy ihany koa. Alefany any amin’ny tobim-pahasalamana ny marary hitany fa tsy mifanaraka amin’ny fitsaboana misy ao aminy noho io fiaraha-miasa io, hoy izy.

Notsorin-dRandriamamonjisoa Maurice fa mety ho loharanom-pandrosoana ho an’ny firenena ny fanomezan-danja ity fitsaboana tena malagasy ity : sady tsy andaniam-bola firy no mitarika amin’ny fitandroana tontolo iainana ary ahafahana misarika vahiny
hitsabo tena aty amintsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS