Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 09h12
 

Malagasy

Amoron’Imania • Fandriana

Mbola mitoetra ny herin’i Rainitanjaka

mardi 19 août 2008 | Princia R.
ilay kininina tsyazo kapahina, tsy azo rantsanina, tsy azo tsimponina ny raviny.

“Tsy azo anaovan-dratsy, tsy azo itondrana ody gasy ny tanàna voafaritra, izay minia mandika dia tra-doza….”

Tompomenakely tamin’ny faha-mpanjaka tamin’ny taonjato faha XVIII tao amin’ny fanjakan’I Fisakana I Rainitanjaka, teo an-tampon’ny vohitr’Alasora (Fandriana izy no nonina tamin’izany fotoana izany, ary io no lasa “residence” ankehitriny. Fatra-pahay mandray vahiny ny foko betsileo, fantatra ihany koa fa tsotra ary ny fahitan’ireo mpihavy izany no nanararaotan’izy ireo sy nisian’ny fanambakana samihafa. Vinitra sy nangoraka noho izany fanararaotana izany Rainitanjaka ka nanao “tsitsika” na koa “ozona”. Naka vatotr’omby iray tao am-balany izy ka nodidiany ny kibony ka nikiraviravy efa ho 40m ny tsinainy, nokapahiny ihany koa ny lohany ka lasa nivadika tany aoriana, rehefa vita izany dia nalefa andeha ilay omby ka niodidina ny vohitr’Alasora, voafaritra tamin’ilay ran’ny tsinain’ilay omby izany. Rehefa vita izany dia nilaza izy fa “n’iza n’iza manao ratsy tao Fisakana, indrindra fa tao anatin’ilay faritra, dia ahita loza. Hatreto dia efa maro no ninia nandika ny tsitsika ka tra-doza avy hatrany. Anisan’ny nahasarotiny an’I Rainitanjaka ny kininina lehibe iray naniry teo atsimo trano ka tsy azo zimbazimbaina mandrak’ankehitriny.Nisy ny azo tantaraina toan’ny nahazo an’I Chanel, teratany vahiny nitondra tao Fisakana tamin’ny fanjanahan-tany. Raha nahafantatra ny tantaran’I Rainitanjaka sy ilay kininina tsy azo rantsanina na koa kapaina, tsy azo tsiponina ihany koa ny ravina latsaka i Chanel dia ninia nandika izany ka andeha hikapa ilay hazo tamin’ny milina goavana. Nitokona tsy nety nandeha ilay masinina rehefa teo ambody hazo noentina niverina saika hamboarina ilay milina kinanjo nandeha tampoka ka raha iny niondrika nanamboatra azy iny i Chanel dia voakapa ny lohany ary voadidy ny kibony, moa tsy ilay omby tamin’ny fotoan’androny..

Vao tsy ela fa vao haingakaingana ihany dia nisy olona saiky nikasa hamaky ny “residence”, tsy nahazon’inona n’inona ilay olona fa nikiropaka irery tao ka nianjera mafy ka tataky ny vy nitsena azy tao ny kibony ary voadona mafy ihany koa ny tendany. Hatramin’izao dia mbola velona any io olona io ary mitondra takaitra.

Angamba mety hisy hilaza hoe fifandrifian-javatra izany rehetra izany nefa azo lazaina ankehitriny fa lasa fanateran-tsaotra ny kininin-dRainitanjaka ary misy ireo milaza fa nahazo izay niriany. Toaka, tantely ati-kena, vatomamy no aterin’olona eo ary avy eo izy manao fangatahana. Tsy azo hivavahana ny kininin-dRainitanjaka, tsy azo tompohina ihany koa fa atao fangatahana fotsiny ihany. Lasa fanateran-tsaotra izany ankehitriny. Maro ny olona avy ao an-toerana na avy amin’ny faritra hafa no mangata-tsaotra eo amin’ny kininin-dRainitanjaka…

Fantatra ihany koa fa ireo manam-pahefana nifandimby teo Fandriana ka nipetraka tao amin’ny residence dia efa nisehoan’i Rainitanjaka avokoa...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS