Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h02
 

Teny zato, kabary arivo

Mbola malemy

lundi 26 mai 2008 |  431 visites  | Naivo kely

Ny andro nankalazaina ny fetin’ny reny omaly no hilazana fa mbola malemy ny vehivahy eto amintsika. Satria nahoana hoy ny mpitazana hafa ? Tsikaritra fa ny finiavana betsaka fa ny entina hanatanterahana izany no tsy ampy. Porofon’io, ny mbola hianteherana amin’ny lehilahy. Misy ny ben’ny tanàna vehivavy izay mihanaka any amin’ny kaominina sasany any, manao ahoana ny asa vitany any raha atao
indray mijery ? Ny depiote sy ny olom-boatendry hafa ve mba nisy asa misongadina haingana tao ho ao ? Vehivavy olon-tsotra ny ministry ny fiarovam-pirenena, milamina ve io raha ny fijery aty ivelany ? Mety hisy hanome endrika hafa ny lahatsoratra, saingy ny fetin’ny reny omaly no nahatsapana fa mbola ho lavitra ny tanjona hitovy zo amin’ny lehilahy.

Omeo ny toerany kosa anefa ny vehivavy, satria zava-poana ny asa rehetra raha tsy eo ry zareo. Eto no
hilazana fa mifanampy ny roa tonta, fa tsy ho sanatria misy te-hisongadina amin’ny andraikitra tsy zakan’ny tena. Ho ela velona neny a.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS